Edito

Miandry vahaolana


  • Zoma 17 Aprily 2015

Nanindry mafy indray ny Amerikanina omaly fa ilaina ny fampihavanana ary tokony hiverina an-databatra boribory mba hiresaka sy hikaroka ny marimaritra iraisana ireo rehetra nisitaka.

 

 

Heverina moa fa tsy tongatonga ho azy ny fanambarana tahaka izany, indrindra fa rehefa masoivohona firenena matanjaka no manao azy. Ny andrasana izao dia ny ho fihetsik’ireo filoha nisitaka sy ny mpiara-dia aminy. Sa mbola hisy ve ny fepetra hafa horaisina mialoha ny fiverenana ao anatin’ilay dinika ? Amin’ny ankapobeny aloha dia efa fahita amin’ny fifampiraharahana rehetra ihany ny fihetsika hoe misitaka na miala na mivoaka ny efitrano fivoriana. Fomba fiady izy io ary zavatra tsy dia atao mahagaga loatra amin’ny sehatra politika. Fa ahoana kosa ny vahaolana fa tsy sanatria hifamolaka isaky ny mihetsika dia tsy hisy zava-banona. Manana anjara toerana goavana amin’ny famahana ny olana ny filoha Rajaonarimampianina satria izy izao no filoha am-perinasa manana ny fahefana rehetra. Afaka mamorona olana izy ary afaka mamaha olana koa. Adidiny ny mitady vahaolana haingana satria efa tena mafy ilay fiainana ho an’ny vahoaka. Ny fitarazohan’io resaka fampihavanana io dia mety hiteraka krizy hafa hanahirana ny fitondram-panjakana indray.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT