Edito

Miandry sondro-bidy sisa


  • Alarobia 10 Novambra 2021

Miakatra ny vidin-tsimentitra. Miakatra ny saran-dalana. Mbola hiakatra misimisy koa ve izany atsy ho atsy ny vidina entana ilaina andavan’andro na PPN?

 Sao dia efa tokony ho paska sy pentekosta ary noely no iantsoana azy satria efa hisondro-bidy atsy ho atsy koa, hoy ny vazivazy mandeha? Miandry sondro-bidy sisa izany ankehitriny ny azon’ny fiarahamonina Malagasy atao manoloana izao toe-draharaha izao. Sanatrian’izany efa ho ny rivotra iainana manontolo mihitsy no hisondro-bidy saingy mampametra-panontaniana hoe efa resy tanteraka ve sa nisafidy ny hijanona ho valalabemandry ka tsy mbola hampiseho fihetsika maha olompirenena mandray andraikitra ihany? Miakatra ny hafanan’ny tany. Simba ny tontolo iainana. Misondrotra avo 10 eny ny loton’ny rivotra iainana ety an-drenivohitra. Efa nisy andiany miisa 25 hafa nialohan’iny COP 26 iny, hoy ny fanontanian’ny mpanao politika iray izay saingy inona no vokany teto ambonin’ity tany ity? Inona no vokany ho an’I Madagasikara manokana? Hampitsahatra anaty fotoana fohy ny doro-tanety sy ny tavy ve ny fiarahan’ny filoham-pirenena naka sary tamin’ireo mpitondra fanjakana amina firenen-dehibe maro tany amin’io fivoriana tany Glasgow io? Ampihena ny filan’ny vahoaka Malagasy tsy mahatakatra vidina entona na “gaz” ny fampiasana arina fandrehitra na saribao ve? Etsy ankilan’izany rehetra izany dia ireny niaraha-nahita sy nandre ireny fa dia ny fanomanana ny taona 2023 izany izao no tena maha seriny izao fitondrana izao. Ny aty ivelan’ny fitondrana koa mampametra-panontaniana hoe inona no antony namoahan’ny praiminisitra iray teo aloha ireny sary fanelanelanana tany Gaborone ireny? Inona no hevi-dalina fonosin’ireny kabarin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ireny? Izay aloha ny anio fa enga anie ho hita ny vahaolana rahampitso !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT