Miha miakatra ihany ny maripana eny Ambalambahoaka eny amin’izao. Niaraha-nahita ny zava-nitranga nanomboka ny alarobia teo fa efa niverina nanao fanambarana indray ny avy eo anivon’ny foloalindahy ary manainga ny herivelona rehetra hiaraka hikaroka ny vahaolana hisian’ny marimaritra iraisana.
Heverina fa efa naman’ny fampitandremana ny rehetra ireny mba samy ho tonga saina fa efa miha mitsiry tsikelikely indray ny krizy manaraka ka tokony handraisan’ireo be tsy miteny ny andraikiny. Manomboka miditra amin’ny famoahana ireo mpiasa eny anivon’ireo rafi-panjakana stratejika rahateo moa ireo mpitolona ka heverina ho lojika ihany ny fahamailoana. Na hihodin-kavia na hihodin-kavanana, na hiofo ho vy na hiofo ho vato anefa ireo mpitondra dia tsy afa-miala fa tompon’andraikitra voalohany amin’izao zava-misy izao. Ary arakaraky ny mbola hifikirany eo amin’ny sezany eo no efa fantany fa vao mainka haharomotra ireo efa tafidina eny an-dalambe ankehitriny. Efa nampianatra izany hatrany ny tantara nifanesy. Iza moa ireo mpitondra nanampin-tsofina sy nanampina ny masony no tsy nahita sy naheno ny fipoahan’ny sarom-bilany nipoaka ihany no niafarany ? Raha ny fihetsiky ny filoham-pirenena sy ny mpiara-miasa akaiky aminy hatramin’izao anefa dia hita fa mainka mandrangitra sy miandry ny sarom-bilany hipoaka mihitsy. Enga anie mba hitsimbadika ny tantara !
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.