Miandry ny vahoaka

Ady saritaka amin’izao fotoana izao ny an’ireo kandida depiote manoloana


  • Alarobia 05 Jona 2024

ireo tsy fahatomombanana marobe tsikaritr’izy ireo nandritr’iny fifidianana solombavambahoaka farany teo iny.

Samy mifampiampanga ho nangalatra moa ny rehetra. Ny andaniny milaza ny ankilany ho nangalatra. Ny ankilany koa manao toy izany amin’ny andaniny. Ny mazava aloha izany dia samy miaiky ny rehetra fa tena sady tsy nangarahara no tsy madio no tsy neken’ny rehetra ilay fifidianana iny fa tsy araka ny fanomezan-tokin’ny filohan’ny CENI hoe aza manahy ianareo fa mangarahara io. Miandry ny vahoaka. Miandry an’ilay fandraisan’andraikitra nilokalokan’ny filohan’ny HCC izay nilaza fa tsy hilefitra manoloana ireo hala-bato na fandikan-dalàna mikasika izay tontolom-pifidianana izay izany izao ny mpanara-baovao sy ireo olompirenena rehetra nandray anjara tamin’iny fifidianana iny. Ny andrasana indrindra dia ilay hoe io fa tena tsy nitanila tokoa tamin’izay fandraisana fepetra izay! Io fa mahaleotena amin’ny fanapahan-kevitra tokoa fa tsy ahatarafana tsindry na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe «influence» avy amina mpitondra fanjakana ambony! Andrasana amin’izao fotoana izao ny hisiana heverina hoe fahagagana toy izany eto amin’ny tantaran’ity firenena tsy nety tafavoaka tanaty fahantrana nandritry ny fotoana naha repoblika azy sy nifidianany ny rafitra hoe demokrasia ity. Firenena izay averimberin’ireo herivelona isan-karazany na mpisehatra politika io na toekarena na sosialy na inona hoe anton’izay fahantrany izay ny karazam-pahalovana samihafa toy ny kolikoly sy io trangana halatra miseho lany amin’ny fifidianana izay hita taratra efa hatramin’ny taona 1971 tany ho any io nefa mbola tsy mety afaka hatramin’izao. Miandry ny vahoaka. Miandry amin’izay ireo tena ho mendrika marina ho antsoina hoe solombavambahoaka fa tsy ho mpananga-tanana fotsiny araka ny voatsikera hatramin’izay nefa koa miandry indrindra aloha, mialohan’izany rehetra izany, ny fanatanterahan’ireo rafitra nampandraiketana ny fifidianana ireo depiote ho lany eo ny teny tsy fitanilany tokoa amin’izay fanapahan-kevitra ho raisiny izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT