Miandry ny tohiny!

Raharaham-pitsarana maromaro sy manodidina


  • Alarobia 07 Febroary 2024

izany moa no azo lazaina ho nisongadina tamin’ireo matoam-baovao

mahakasika ny raharaham-pirenena omaly. Tafavoaka ny fonja ihany ilay Dokotera naiditra an-tranomaizina rehefa avy naneho hevitra am-bolana maro lasa izay, mba tsy hilazana hoe an-taonany maro. Inona no nifanarahana ka anton’ny fahafahana, hoy avy hatrany ny fanontaniana manitikitika ireo mpanara-baovao, satria dia na ny fianakavian’ity lasibatra ity na ny mpisolovavany dia efa samy nanamafy efa ela fa efa ela no tokony niverina tamin’ny fianakaviany ny lehilahy? Ankilan’izay moa izany dia mbola taraiky any ireo namany mpandraharaha nalaza ho mafy indrindra ihany koa tao anatin’ny fitondrana teo aloha sy ny zokibe mpanao gazety izay efa diso fantantsika loatra. Ny teny Anosy teny indray izany dia hoe voaheloka higadra 30 volana koa, sazy miantona, ireo mpitarika sendika miisa 2. Azo fintinina amin’ny hoe mpitarika sendikan’ny mpiasa ny iray dia ny sekretera jeneralin’ny Randrana sendikaly ary mpitarika sendikan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES ny iray satria, hono, nahiahiana ho nikasa hanongam-panjakana izany, raha vantanina ny filaza azy. Inona moa no fitaovana hahafahana sendika manatontosa herisetra toy izany? Mba mitombina ve izany fiampangana izany? Sao dia fanampenam-bava an-kolaka kosa? Santionan’ireo fanontaniana nipetraka omaly hatrany izany rehetra izany fa dia miandry ny tohiny aloha izany!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT