Miandry ny tena tamberina

Ela niandrasana tamberina ny vahoaka malagasy.


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Tamberin’andraikitra tamin’ireo karazan-ketra maro narotsany

tamin’ny kitampom-bolam-panjakana malagasy eto no resaka. Na naloha mivantana io na tsy mivantana. Misy ilay ohatra fanao matetika moa hoe na mividy borosinify eny amin’ny mpivarotra enta-madinika aza ny olompirenena iray dia efa naman’ny mandoa izay hetra izay ihany satria mandoa sara na “ticket” amin’ny kaominina iny mpivarotra iny. Toy izany koa rehefa mividy na dia anana aza. Nahoraka teo aloha teo ny resaka sarany aloha amin’ny fanisam-bahoaka tamina fokontany iray ary tena nampimenomenona fatratra ny mpanara-baovao moa izany ary dia toy izay efa faheno matetika izay ihany no fanontaniana matetika nipetraka. Aiza ny vola tamin’ireo hetra isan-karazany? Natao inona ny famatsiam-bola momba ny tetikasa tahaka izao na tahaka itsy? Tonga ety an-tanan-dehibe tahaka an’Antananarivo sy Toliara isika dia mahita avoana na vohi-pako misavovona dia misavovona. Na ireo alika aza lasa sahirana mikaroka izay mba tokony ho haniny anatin’ireny. Fa maninona no hoe tsy manam-bola ny kaominina handraofana ny fako? Izao indray izany dia hoe minisitera mihitsy no mangataka hoe dabilio iray isan’olona, isan-taona. Tsy misy tetikasa hafa mba azo hajanona mihitsy ve izany hanavotana ity tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara ity? Inona no tokony ho laharam-pahamehana, ny fanalana ny fako mahatonga aretina mba hitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka sa fametrahana teleferika izay tsy ho takatry ny sarambabem-bahoaka ny sarany? Ny resaka karama mahavelona sy asa mendrika aza eto mbola ady sy tolona mafy dia mafy ny fikatsahana azy. Miandry ny tena tamberina.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT