Edito

Miandry ny anjara masoandrony


  • Talata 15 Septambra 2020

Mbola tsy hita be eny ihany, hoy ny mpanao politika iray izay, ny hiafaran’ity resaka Coronavirus eto Madagasikara ity.

 

Tsy tompon’ny ampitso tokoa isika ary raha mijery ny zava-misy ankehitriny manoloana ity tarehimarika miaka-midina aseho isan’andro amin’ny haino aman-jery ity dia sarotra no tsy ho lasa saina ny amin’ny hoe hanao ahoana indray no tohiny, mba tsy hilazana hoe ho atao tohiny. Marihina tsinona fa ny tarehimarika izay naseho am-bolana maro izany izay dia vaky ihany fa tsy ten any isan’ireo marary fa ireo izay manaiky ho tiliana sy ho isaina. Anjaran’ny isan-tokantrano, araka izany, no maminavina ny tena mety ho isan’ireo tena voan’ity COVID 19 ity eto Madagasikara miainga amin’ireo tarehimarik’izay nanaiky ho ambara. Sombiny goavana amin’ny toe-draharaha mampiady saina ny maro ihany ny resaka Coronavirus ka hanadinoiny ireo areti-mandoza hafa, hoy ny dokotera sasany izay. Eo ihany ny lafiny ara-pahasalamana fa mamono mivantana sy ankolaka ny mpiray tanindrazana koa ankehitriny ny hanohanana sy ny fahaverezan’asa. Mitombo ihany koa ny tsy fisian’asa. Ny famonoan’izao fitondrana izao mivantana ireo asa efa nisy moa dia tsy takona hafenina toy ny masoandro be lohataona, hoy ny filazan’ny Ntaolo azy izay. Tsy ny vondrona AAA sy ny tariny, izay tarihin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana irery, fa hatramin’ireo fihariana madinika sy salantsalany toy ny fivarotana tetsy Analakely sy fokontany maro tety Andrenivohitra. Voadingan’ny Vatsy tsinjo sy ny tsena mora toy ny efa nahazatra ihany koa hatramin’ny 2009 ny fiharian’ny tambanivohitra toy ny fambolem-bary sy ny fiompiana omby. Hanafatra ombivavy be ronono moa izany ny fitondrana raha toa ka nanary ny ronony ny tantsaha teto an-toerana. Samy miandry ny fahatanterahan’ny Tanamasoandry sy ny tohin’ny kianja masoandro ny mpanara-baovao saingy miandry ny anjara masoandrony kosa ny Malagasy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT