Miandry mpitsangatsangana hiverina!

Miandry mpitsangatsangana hiverina! Izay izany


  • Alarobia 02 Jolay 2025

hatreto no heverina ho fandraisan’ny ankamaroan’ny mpanara-baovao ny

fiandrasana ny afitsok’ireo delegasionina malagasy voalaza ho nandeha nidinika momba ireo nosy manodidina any Parisy, Frantsa, hatramin’ny 30 jona teo. Ny iray tamin’ireo delegasionina moa toa tahaka ny nampionon-tsaina ireo mpanaraka ny zava-misy sahady tamin’ny alalan’ny fampitahana ity anton-dian’izy ireo ity amin’ny fomba nitakian’ny maorisianina ireo nosy Chagos tamin’ny britanika. Nasongadiny soa aman-tsara fa fifampidinihana in-14 vao tafaverina tamin’ny nosy rahavavy ireo vondro-nosy notakiany. Ny heverina ho zava-dehibe kosa angamba ao anatin’izany aloha dia ny hoe mba manana heritreritra ny hamerenana ireo nosy manodidina ireo ity solontena malagasy iray ity. Miteraka resabe nefa etsy ankilany ny toromarika avy amin’ny filoham-pirenena mikasika ireo heveriny ho teboka manan-danja tokony hasongadina ao anatin’ny fifampidinihana amin’ny solontena frantsay, izay nomarihin’ny vondrona politika iray omaly fa tsy nahitàna izay resaka famerenana tanteraka ireo nosy ireo izay. Nisy tamin’ireo olompirenena mpanara-baovao ihany koa no nanamarika sahady fa rehefa tsy hiresaka izay famerenana tanteraka na «restitution» izay ireo delegasionina lasa any dia efa naman’ny mpamadika tanindrazana izy ireo izany. Izay ilay hoe naman’ny fitsangatsanganana fotsiny no nataon’izy ireo tany. Na izany na tsy izany dia samy miandry ny vokatry ny lazaina fa dinika eto isika. Heverina fa azo tenenina ny hoe miandry delegasionina hiverina fa hatreto sarotra koa anefa ny tsy hilaza hoe miandry mpitsangatsangana hiverina, raha tsy hoe tahiany ka hisy vokatra mahagaga ho entin’ireo delegasionina ireo angaha rehefa tafaverina eto amin’ity firenena ity izy ireo!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT