Edito

Miandry mpihaino


  • Alakamisy 22 Oktobra 2020

Tsikera mpahazo ny mpanohitra ny fitondrana avy amin’ireo mpiaradia amin’ny mpitondra matetika moa ny hoe tsy mba mandroso vahaolana fa mitsikera foana.

 

 

Tsikera izay mbola mahavalalanina hatramin’izao io, indrindra, fa nialoha kely sy nandritra ary izao aorian’ny hahamehana ara-pahasalamana izao. Tsy mpanohitra ve moa no isan’ny efa niantsoantso ny amin’ny hanidiana ny sesitany efa hatrany amin’ny volana febroary? Tsy mpanohitra koa ve no nanoro hoe zarao ary atero isan-tokantrano ny fanampiana sosialy? Teo koa ny fikajiana hoe raha izao tapitrisa dolara na euro ilay azo dia tokony ho izao isan’olona izany na fara-faharatsiny isam-pianakaviana no hisitrahan’ny Malagasy manodidina ny 25 tapitrisa. Tsy ny mpanohitra irery no nanolotra vahaolana mitovitovy tamin’izany rehetra izany fa ireo rehetra nahita ny tsy fetezan’ny fitantanan-draharaham-panjakana tao anatin’izay 7 volana izay. Noho ny fahaterem-pomba fijery moa dia nofaritana ho isan’ny mpanohitra daholo izay nitsikera rehetra. Io indray izao ny kere any atsimo. Mandeha ny tolo-bahaolana amin’ny resaka fohy ezaka sy lavitra ezaka toy ny fametrahana fantson-drano goavana sy ny famoronana famokarana. Miandry mpihaino izany vahaolana izany indray ireo nanolotra azy ary mba maniry ny hanatanterahan’ny fitondram-panjakana izany na dia kely fanantenana ihany aza noho ny fahitana ny tsy nanatanterahana ny tany aloha rehetra. Io koa ny resaka faritra faha 23. Ao ny manome tolo-kevitra hoe aleo 22 ihany. Ao ny hoe misy distrika be kaominina be ao tokony akana ilay faritra faha 23 fa tsy voatery hanery fifandraisana eo amina fiarahamonina tsy mitovy fomba sy kolontsaina akory. Efa ela no nampatsiahivana izany hoe dokotera no tokony hitsabo sy hiahy ny resaka fahasalamana fa tsy mpitandro filaminana kanefa taorian’ny fanapariahana mpitandro filaminana isam-paritra nandamina ny COVID 19 dia mbola izay indray izao no haparitaka handamina Kere any atsimo. Politika, sosialy, fanatanjahantena hatramin’ny kolontsaina dia saika toa hahitana izay fitanilam-panapahan-kevitra sy fomba fijery izay avokoa saingy miandry mpihaino ihany aloha.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT