Hita miharihary amin’ny fitetezam-paritra ataony koa moa ny filoham-pirenena ary
tsy miafina maneho fa manohana ireo kandida solombavambahoaka mitovy loko politika aminy, mba tsy hilazana hoe kandidam-panjakana. Ny anaran’ilay vondrona politika aza moa mitondra ny anaran’ity filoham-pirenena, izay andrim-panjakana ity, rahateo. Sary tsy sary izany efa niparitaka teny amin’ny tambazotran-tserasera maneho ny fandikan-dalàna ataon’ny mpitondra fanjakana sy ireo mpiaradia aminy izany tao anatin’izao fampielezan-kevitra izao. Tao ny fitanjozorana amin’ny kodiaran-droa tsy nisy nitondra aroloha kanefa dia nojerem-potsiny satria nitafy volomboasary. Tao ny nampahafantatra laharana tokony ho fidiana tany anatina sekoly. Ny mametraka afisy eny rehetra eny, tsy an-kifidy, na aiza io toerana io na aiza? Nilaza ny tsy hitsitsy amin’ireo mpandika lalàna moa ny filohan’ny HCC. Niteny koa ny CENI fa tsy hanisy fanavahana. Miandry lojika manoloana ny zava-mitranga rehetra izany amin’izao fotoana izao ny olompirenena sy mpanara-baovao. Aiza ilay hoe fandraisana andraikitra sy fepetra ary tsy fitanilàna sa lasan-ko vavany sy kobaka am-bava fotsiny?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.