Edito

Miandry izay higadonany


  • Zoma 14 Septambra 2018

Efa tongotra mby an-dakana ny fanatanterahana ny fifidianana na somary mizara roa aza ny hevitra ho an’ny mpanao politika.

 

 

 Miandry izay higadonan’ny fotoana tena voafaritry ny lalàna hanaovana fampielezan-kevitra isika izao na efa misy aza ny nanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Miandry koa izay mety hafitsok’ireo mbola misalasala sy tsy miombon-kevitra, izay milaza ny tsy hipetra-potsiny. Miandry ihany koa ny tohin’ny resaka mafampana, toy ny anton-dian-dRajoelina any Frantsa. Malaza ny resaka raharaham-pitsarana mety hahasaringotra azy na ny namany akaiky mpanohana ara-bola amin’ny fifidianana. Liana ny maro hoe: pehan’ny Frantsay izay voalaza fa isan’ny manohana azy akaiky ve satria nahagaga ny maro ny nampangina tampoka ilay famoriam-bahoaka nirarakopana teo, toa zary gina sy sina, hany ka hatramin’ireo ekipa sasany aza gaga hoe nankaiza? Misy aza ny somary mananihany hoe: “ombay mitady”. Tsy sanatria natao hanakianana na hanenjehana fa misy ny liana hoe sao mba nandeha naka vatsy kosa e ! Tsy izy irery rahateo fa misy ihany koa ny kandida sasany miketrika mafy amin’ity fandehanana mankany ampita ity, izay heverina fa miketrika lalam-bola ny ankamaroany. Hifampidera taim-by amin’ity resaka fananam-bola be ity, ka asa lahy any anaty voka-pifidianana any na hilamina ihany na tsia ? Ny vahoaka ihany koa mantsy efa miandry ilay fotoana hanehoany ny safidiny hoe: iza no tena nahavita sy mbola hahavita, hanarina fa tsy hamotika,...

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT