Edito

Miandry izay higadonany


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Herinandro sisa dia hisy fitakiana nandrasana efa ela mba mety hivaly amin’izay ho heno avy eny Iavoloha eny.

Dia samy miandry izay higadonan’ny fotoana ny rehetra, indrindra ireo efa niandrandra izany hatry ny ela. Raha ny tokony ho izy, lehiben’andrimpanjakana miisa roa no andrasana hiala amin’io fotoana io saingy voalaza ho afaka misafidy ny tsy hanao ny iray amin’izy ireo. Ny iray kosa raha toa ka tsy tapa-kevitra dia mbola misy iray volana indray hisaintsainany. Ny tsy azo avela hohadinoin’ny rehetra anefa dia hoe : samy ho kandida ho filoham-pirenena izy mirahalahy ireo. Mbola hijanona eo ihany ve rehefa dila ny 7 septambra sa mba mody hahay hihatsaravelatsihy hoe : tsy mamy ho anay anie ity seza ity ? Andeha hatao hoe : tsy voatery ho fihatsarana velatsihy ary izay fihetsika izay raha hotanterahin’izy mirahalahy ireto fa tena fanehoam-pitiavan-tanindrazana tokoa. Mba haneho izay dindo vaovao mandrary amin’ny ampahany kely ny fitiavan-tanindrazany izay ve izy mirahalahy ireo ? Be ihany ireo sary efa nandalo nampandalovin’ireo mpanao politikantsika naneho hatrany fa ny seza no tena mamy ho an’izy ireo fa tsy ny fandrosoan’ny fireneny velively. Firifiry moa ireo mpanao politika nivazavaza fa nisitri-belona ankehitriny na dia tsy mbola tonga tamin’ny tanjona nampanantenainy sy niriany aza ? Ny sasany aza efa nilelalela saika ho isan’andro fa « tsy maintsy » hilatsaka filoham-pirenena saingy tsy hita maty tsy hita velona. Ny tohin’ny hetsik’ireo depiote 73 tsy lazaina intsony fa dia miandry izay higadonany indray aloha.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT