Edito

Miandry izay havoakany !


  • Alarobia 11 Martsa 2015

Tsy nifidy filoha vaovao asolo an’i Atallah Beatrice ny CENI-T fa dia ny filoha lefitra ihany no natao ho filoha vonjimaika hitantana ity sampandraharaha misahana ny fifidianana ity. Hay ve ka azo amboamboarina tahaka izany ilay lalàna e ! Dia efa tahaka izany mihitsy ve izany ny fomba fanao eto


Madagasikara ? Manao izay mahametimety azy ireo manampahefana, dia manaraka fotsiny ny vahoaka. Na izany aza, mandeha ny feo fa tsy narisika tamin’ny hifidianana filoha vaovao na hampidirana filoha vaovao hitantana ny CENI-T ireo mpikambana ao aminy noho ny ahiahy sao hiova daholo ny fomba fiasa na sanatria olona atao fitaovana hampandresy ny antoko eo amin’ny fitondrana fotsiny izay filoha vaovao ho avy eo. Ny ahiahy tsy hihavanana, hoy isika malagasy, koa dia io nanapa-kevitra ny hanohy ny tetezamita io ry zareo mpikarakara ny fifidianana, ary olona efa mahafantatra ny asa rehetra fanao no misolo toerana vonjimaika ny filoha. Hafahafa izay ihany moa ny fandehan’ny raharaha eto Madagasikara amin’izao fotoana, ary dia miandry izay ho fomba fiasan’ny CENI-T amin’ny fifidianana kaominaly manaraka  eo ny rehetra satria efa misimisy ihany ny zavatra nanjavozavo sy nampiahiahy ny maro tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka tamin’ny 2013.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT