Edito

Miandry inona vao ho taitra?


  • Alatsinainy 11 Jolay 2022

Tsy manan-tsafidy intsony ny vahoaka, fa tsy maintsy hidangana hatrany ny vidim-piainana. Mandry tsy lavo loha andro aman’alina satria ny hoanina anio tadiavina rahampitso.

Tsy mba manan-kianteherana firy, fa mila mizaka sy miaina amin’ny zavatra misy eo. Ilay Fanjakana natao ho mpamaha olana sy tokony hanao izay hanalefaka izany mbola mahita ala bala sy famendrofendroana sy fanabadoana hatrany. Isan’ny iompanan’ny sain’ny rehetra, ohatra, io ho fiakaran’ny vidin-tsolika io. Mbola sahin’ny mpitondra hatrany ny mivoy sy mampivoy an’ireo mpomba azy mety voatambitamby na tsipatsipazana kely, fa ity Fanjakana ity no nahavita nifehy ny vidin-tsolika tsy hiakatra tao anatin’ny telo taona. Fidinany no tena nisy tao anatin’izay, saingy isika tsy mba nisitraka an’io kanefa tena nitotongana be teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena saingy hiniana hikipiana io rehefa hilalao saim-bahoaka. Tsy vao izao ihany koa no nidangana ny vidim-piainana, saingy sehoseho ivelany, fepetra tsy mahomby,… no hany tena misy. Miharihary hatrany ny tsy fahaiza-mitantana, mihamafy andro aman’alina ny krizy sy ny fahasahiranam-bahoaka,… Ny mahavalalanina, mbola misy ihany ireo manam-pahefana na olom-boafidy na olom-boatendry sahy milaza sy miteny fa efa fankahalana raha tsy mahita fampandrosoana amin’izao. “Ny fisolelahana no lehibe indrindra” ny an’ny sasany, hany ka na solombavambahoaka natao hanaitra ny fahefana mpanatanteraka izao eo anatrehan’ny fijaliam-bahoaka aza, ohatra, dia sahiny ny miteny hoe: “Andry Rajoelina no patron-nay”. Fampandrosoana inona no ho vanona ao anatin’izany? Raha tsy mampanantena lava, dia mitady izay hanilihana ny rihitra no hany tena paikady hita taratra. Hatramin’izao aza moa mbola ny Filoha teo aloha efa 13 taona tsy teo amin’ny fitondrana no hanilihana ny tsy fahombiazana sy hatao vain-dohan-draharaha ny manenjika azy andro aman’alina. Izao ve ilay hoe: fampandrosoana manara-penitra sy haingam-pandeha? Efa tsy afaka mihaino afatsy feon-dakolosy tokana sy faly maheno hoe: “mety izao prezidà” ataon’ireo mpila ranondranony ka hisy zavatra hipoaka vao ho taitra?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT