Edito

Miandry foana !


  • Alatsinainy 09 Janoary 2023

Miandry foana satria fitia ny aty”, hoy ny hiran’ny tarika Ivoara izay. Resaka fitiavan’olon-droa moa ny an-dry zalahy iny fa ny vahoaka malagasy koa izao dia mbola miandry foana izay tena fepetra matotra raisin’izao fitondrana izao

manoloana ny zava-misy fanetribe tsy mampandeha araka ny tokony ho izy eto amin’ity firenena ity mba tsy hilazana hoe tsy manatsara ny fiainan’ny isan-tokantrano. Mety misy resaka fitiavana ihany ao fa fitiavana filaminana na koa hoe tsy fitiavana hikorontana intsony na dia miha mafy hatrany aza ny iainana isan’andro satria tena misy tokoa ireo mpanararaotra mampiakatra isan’andro io vidin-javatra ao an-tsenany io ireo mpivarotra. Hita eny amin’ny fiarahamonina eny izany ary efa ela no nitabataba izany ny mpanara-baovao hoe mba jereo! Toy ny efa fanaon’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana hatramin’izay tokoa na iza na iza minisitra teo, nidina ifotony indray ireo mpanara-maso avy amin’ity minisitera ity dia nilaza indray fa ho enjana ny sazy ampiharina amin’ireo manararaotra. Dia miandry izay sazy izay indray izany ny rehetra ary mba te hahafantatra mihitsy hoe iza na iza avy ary inona no antony? Sao dia mba misy mpandraharaha vaventy manao ampihimamba tsy sahin’ny mpitondra fanjakana kitihina ao? Fanontaniana efa nipetraka teo aloha izany ary mbola averina apetraka foana satria tsy miova mihitsy ny fepetra raisin’ilay fanjakana na inona na inona hadirin’ireo olana misy na “gravité de la situation”, hoy ny vazaha! Aty amin’ny resaka filana andavan’andro na PPN, midina ifotony dia milaza fa handray fepetra na hanasazy fa tsy hita mihitsy hatramin’izao hoe inona ilay tena vahaolana maharitra manoloana ilay zava-misy? Efa fantatra fa manimba fihariana sy fivelomana maro mihitsy ilay delestazy sy fahatapahan-drano. Tsy misy ny vahaolana maharitra fa hoe efa mandray andraikitra dia “alefa JIRAMA”. Olana ny tsy fandriampahalemana, ny fahapotehan’ny lalana, ny hetra midangana isan-karazany dia reko ny fitarainanareo, hoy ny filoham-pirenena, dia hatreo. Hatreo amin’ny fampanantenana foana aloha hatreto hatramin’ireo fotodrafitr’asa lehibe toy ny tanamasoandro sy flyover na lala-migodany. Miandry saingy hatreto aloha izany dia miandry foana!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT