Edito

Miandry foana


  • Talata 29 Septambra 2020

Tsy misy azon’ny Malagasy atao afa-tsy ny miandry aloha izany hatreto, raha ny fehin’ny fanehoan-kevitr’ireo mpiaradia sy mpanaradia ny fitondrana ankehitriny. Mbola tsy ampy telo taona akory, hono,

 

 tsinona ilay fotoana niasan’izao fitondrana mijoro izao. Etsy ankilany kosa ireo mpanohitra ny zava-misy dia tsy sasatry ny mamosaka izany amin’ny alalan’ny fampatsiahivana ireo tolona niarahan’izy ireo fahiny izay toa tsy nisy fiovana fa vao miha loza aza. Ny demokrasia notakiana vao mainka toa nidina. Ny falalahana maneho hevitra sy miteny toa vao mainka miha tery. Ny mizana mitranga tsikaritra amina raharaham-pitsarana koa isan’ny saika tanisain’izy ireo isan’andro. Ny tsy fahalavorarian’ny HCC sy CENI moa dia efa mankadilo sofina tao anatina taom-piasan’ireo filoha nifandimby maro na tamina mpitondra fanjakana io na filoham-pirenena. 6 volana lasa izay no vaky ny fahamarinan’ny fisiana verin-droa na “doublon” tao anatin’ireo fifidianana natrehina farany dia ny filoham-pirenena sy parlemantera. Saron’ny fandalovan’ity Coronavirus ity tampoka moa izany rehetra izany ary mahatonga ny vazivazin’ny tanora hoe sendra izay filoha “be sanjila” na manam-bintana isika ka afaka nanakona ny tsy fahatanterahan’ny tetikasany rehetra amin’ny alalan’ny seho ivelany maro toy ny tolotolotra isan-karazany amin’ireo fanampiana ara-tsosialy. Saingy ny fehin’ny zava-misy rehetra aloha izany hatreto dia naman’ny miandry foana ihany ny vahoaka Malagasy iray manontolo satria ireo noheverina fa fanovana ifotony tokony ho natao laharam-pahamehana niaraka aza tsy misy tontosa mandrak’anio.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT