Edito

Miandry foana


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2020

Na inona kabary na inona toromarika omen’ny filoham-pirenena isa-tapabola aloha dia inoana fa efa iaraha-mahalala, raha tsy hoe dia tena odiana fanina, ny hetahetan’ny ankamaroan’ny Malagasy dia ny mba hilaminan-tsaina eo am-pikarohana izay hanin-kohanina.

 

 

 Samy mahafaty daholo na ny aretina na ny hanohanana, hoy ilay mpanao politika iray izay. Ny aretina ihany koa dia misy foana mandava-taona ary raha mbola resaka gripa toy itona Coronavirus itony dia miova fiseho sy hery hatrany arakaraky ny fiovan’ny vanim-potoana ihany koa, hoy ireo manam-pahaizana momba izany. Tsy nisy nanaovana arofenitra sakana na ilay hoe “gestes barrières" nihoatra ity COVID 19 ity angamba ireo aretina mahafaty efa nandalo sy mbola mitoetra hafa eto amin’izao tontolo izao sy eto amintsika toy ny Sida sy Homamiadana ary ireo karazana tazo mahery samihafa. Misy amin’izy ireny anefa dia vokarina valanaretina toy ity hatrehina ankehitriny ity ihany koa. Mety mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora sy ny fifampikasohana koa anefa ny sasany amin’izy ireny. Ny tiana hiaviana dia ny hoe na hiodin-kavia na hiodin-kavanana ny olombelona dia efa fahavalo isan’ny tsy maintsy atrehiny eto amin’izao tontolo izao ny aretina. Inona moa no tena maha mora handairan’aretina ny olombelona raha tsy ny tsy fahampian-tsakafo fa indrindra ny tsy fahampian’ny hery fiarovana? Afaka hanana izany hery fiarovana ampy hisorohany aretina izany ve izy raha tsy manana fahafahana akory hanjifa ireo sakafo na zava-pisotro heverina hitoeran’izany? Izay no efa namintinana ireo vahaolana miverimberina tao anatin’ny 5 volana hoe na isika tena hanao fihibohana tanteraka azo antoka fa hahazoana famatsiana ara-tsakafo sahaza isan-tokantrano tsy misy fanavahana ao anatin’ny fotoana voafetra dia sady resy ny aretina no ho velona, na hanao fihibohana izay misy mitsara hoe fihatsaram-belatsihy dia sady ahiana ho fatin’ny hanohanana no ho fatin’ny aretina ny vahoaka. Manoloana izany rehetra izany anefa moa dia miandry foana ny fanatanterahana araka ny tokony ho izy ny fampanantenana izay natao taminy efa ho isan’andro aloha izao no mbola hitan’ireo vahoaka ho hany sisa azo atao.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT