Edito

Miandry fitsaharana


  • Talata 08 Septambra 2020

Miditra amin’ny ahamehana ara-pahasalamana andiany faha 13 isika ankehitriny.

 

Malaza ho manambina sy tian’izao fitondram-panjakana izao moa io tarehimarika 13 io ary maro ireo miheritreritra sy mino ary manantena mihitsy fa hifarana eto ny ahamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara izay miha mivaha tanteraka. Miandry ny fitsaharan’izy io ny maro kanefa miandry koa ny fitsaharan’ny fifanandrinana politika nisy teo amin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, sy ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, izay efa feno 13 taona tamin’ity taona 2020 ity ihany koa. Io moa ipetrahana ady hevitra maro toy ny hoe tsy izy mirahalahy ireo mivantana no mametraka izay sary maneho fifanandrinana izay fa ireo mpanipy hoditr’akondro ao an-dapa sy izay mety ho mpanipy hoditr’akondro ao anatin’ny fanoherana ihany koa. Izay tena orikesitra manao izany asa maloto izany angamba aloha tsy dia hiasan’ny vahoaka lalina loatra fa ny tsapany dia ny hoe ilay vahoaka madinika irery no iharan’izay voka-dratsina fifanandrinana politika mbola tsy nifarana izay. Mety hisy hilaza hoe valifaty sy fifanandrinan’ireo mpiaradia amin’ny filoham-pirenena ankehitriny amin’ilay filoham-pirenena teo aloha voalaza teo koa izy ity saingy ny vokany aloha dia averina ihany hoe tsy misy afa-tsy ny vahoaka madinika no hiantraikany. Na mbola hisy hilaza koa aza hoe ny mpiaradia amin’izy mirahalahy ireo ao ambony ao no manao izany fifaminganana izany dia tsy miova ny vokany fa fitomboan’ny fijaliam-bahoaka hatrany. Miandry ny mpitondra sy ny mpanao politika ho tonga saina, araka izany, ny vahoaka Malagasy. Aiza ho aiza ihany ny fipetrak’ity resaka fampihavanana ity ao anatin’izao raharaha izao satria dia miandry ny fitsaharan’ireo disadisan’olona tsy tokony ho ampidirina anaty raharaham-pirenena ny rehetra ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT