Miandry fisokafana!

Voaresak’ireo herivelona politika isan-


  • Alatsinainy 18 Novambra 2024

karazany matetika ny hoe mila misokatra ny fitondrana.

Mila governemantan’ny fisokafana ity fa efa tsy mahita vahaolana samirery intsony ilay fitondram-panjakana mijoro manoloana ireo olana mandrakotra ny firenena. Dia miandry fisokafana eo amin’izay lafiny izay tokoa moa izany ireo mpanao politika. Ny nahagaga dia toa niantso izany an-kolaka ihany koa ny faran’ny herinandro teo ny fanambaran’ireo fivondronamben’ny Eveka no sady nanindry paingotra mafy mihitsy raha tsy nisalasala intsony nanontany hoe sao dia mba misy voakarama hanasoaso fitondram-panjakàna fotsiny eto amin’ity firenena ity no mbola misy sahy milaza ihany hoe mandroso isika amin’izao fotoana izao? Ny maso tsy hisokatra amin’izany filazàna izany koa angamba dia heverina fa tsy hisokatra intsony. Hinia mikipy tsy hahita ny tena zava-misy marina intsony. Ho hita eo, noho izany, izay ho fihetsiky ny fitondram-panjakana mijoro manomboka amin’ity herinandro ity raha tena hahay hisokatra sy hanokatra na ny maso ara-nofony io na ny masom-panahiny fa eo indrindra mihitsy koa ny fisokafan’ny fo sy ny sainy mba ahafahana mandiso ny nambaran’ny depiote Narson Rafidimanana izay vao haingana hoe tsy mety mihaino ity fitondrana ity. Tsy sanatria lasa mpanohitra koa moa, hoy tetsy ankilan’izay, ny lehiben’ny mpanohitra ao amin’ny antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko, ny fivondronamben’ny Eveka, raha nilaza ireny fanambarana ireny fa ny tena marina dia ilay zava-misy mihitsy no efa tsy takona afenina intsony. Inona intsony tokoa moa izany izao no sehatra mba mandeha na tsy misedra fahasahiranana eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao? Ny ara-tsosialy ve? Fandriampahalemana ve? Toekarena ve sa inona? Miandry fisokafana!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT