Edito

Miandry fiovana ifotony


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

Ny fanazavana ny toe-java misy dia tsy maintsy hisy foana ary tonga amin’ilay fitenin’ny mpanao politika iray izay izy io hoe arakaraky ny solomaso hanaovana ny fetran’ny hita.

 

 Rehefa mijery sy miaina ny ataon’ny mpitondra sy ny mpanohitra malaza ankehitriny dia miara-manaiky angamba ny rehetra fa mbola tsy nanova na inona na inona loatra teto amin’ny firenena angamba izany, mba tsy hilazana hoe tsy nanova na inona na inona mihitsy. Nifanarakaraka sy nifanasa vangy teo hatrany aloha hatreto no nifanaovana saingy eo indrindra anefa no hipetrahan’ny olana. Ny tompom-pahefana moa izany io iaraha-mahita io fa afaka manapaka hevitra sy mandray fepetra amin’ireo rehetra heveriny ho manelingelina azy. Na tsy tena maha resy lahatra ny maro aza matetika ny fanazavany ny anton’ireo karazam-panenjehan’olona ataony dia ataony hatrany satria efa izay angamba no tanjona hatry ny ela. Mbola mitohy ny kolontsain’ny valifaty politika ary toy ny miha mafy fototra aza. Toy izany koa ny kolontsain’ny tsy fangaraharam-pitantanana ny raharaham-panjakana. Ny kolontsain’ny fampandrosoana moa dia resaka sisa ka atao, hoy ny fomba fiteny izay. Tsy hita izay drafitra sy tetiandro mazava momba azy. Tranga mitovitovy tamin’ny fivoizana ny paradisa sosialista tamin’ny fotoan’androny ihany no tsikaritra ho miverina tao anatin’ity rivotry ny revolisionina volomboasary tao anatin’ny 11 taona ity. Revolisionina izay tsy hita izay tena azo hamaritana azy na sosialista na kapitalista satria mandeha ny tapi-maso amin’ny kizarazara etsy sy eroa nefa miara-dalana aminy koa ny fikapana an-kolaka ireo mpandraharaha Malagasy hafa sy ny fanenjehana ary fanagadrana izay heverina ho mpifanandrina politika. Mila fanovana ifotony moa, hoy ireo ivelany rehetra vao mety ho tafita isika. Nanaiky izany koa ny mpiaradia amin’ny fitondrana ankehitriny tamin’ny fotoan’androny saingy hatramin’izao anefa dia mbola miandry izay fiovana ifotony nanaovan’ny mpanao politika teoria fotsiny tao anatin’ny 60 taona izay.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT