Miandry finiavana e !

Tsy dia henoheno nitsikera mpanohitra loatra aloha tato ho


  • Talata 03 Septambra 2024

ato ny teo anivon’ny fitondram-panjakana saingy ny tsikaritra matetika dia toa tsy maintsy manonona,

fara-faha keliny indray mandeha, ny hoe «araka ny toromariky ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina…» na koa hoe «araka ny vinan’ny filoha Andry Rajoelina…» ireo mpikamban’ny governemanta. Tena tsy maintsy miteny izany foana ve? Inona no antony nefa ianao minisitra ary ambaran’ireo mpandinika matetika ihany koa fa tekinisianina fa tsy mpanao politika? Raha mpanohana fitondrana mbola ivelan’ny lapa moa dia maty tsikeran’ireo mpanara-baovao mihitsy teo aloha teo hoe misy efa hila haratra mihitsy ny lelany amin’ity filelahana tsy an-kijanona ity na koa hoe fisolelahana ity. Anaty fononteny iny saingy heverina kosa nefa fa mifandraika amin’ny fototry ny fahavalo tokony iombonan’ny malagasy rehetra eto amin’ity firenena ity amin’izao fotoana izao dia tsy inona fa ny fahantrana. Miverina amin’ny adihevitra nambara teny am-piandohana ihany koa dia ny hoe fa maninona no tsy henoheno nitsikera loatra ny mpanohitra ny mpitondra sy ny mpiaradia aminy tao ho ao? Tonga saina ihany ve fa diso ny filazana hoe tsy nanolotra vahaolana mihitsy ny mpanohitra fa nitsikera mpitondra fotsiny? Tsy avy amin’ny mpanohitra tokoa ve moa ny fanolorana ny vahaolana tahaka ny hoe ampiasao araka ny tokony ho izy, ohatra, i Tsimiroro? Toy izany koa ny hoe ataovy ara-drariny ny fitantanana ireo harem-pirenena na ampiasao ireo andramena miantsona fotsiny ao? Tsy avy amin’ny mpanohitra ve ny vahaolana hoe jereo aloha ny sosialim-bahoaka fa tsy ny rendrarendra mandany vola toy ny teleferika sy kianja manara-penitra izay matetika tsy misy mampiasa foana no atao laharam-pahamehana? Misavovona ankehitriny ny vahaolana saingy hatramin’izao izany isika dia miandry finiavana avy amin’ny mpanatanteraka foana hanatontosa azy ireny. Miandry finiavana e !
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT