Tsikaritra ho nahitana fivoarany ny firafitry ny kabarin’ny filoham-pirenena ny alahady teo.
Marihina mihitsy hoe ny teo amin’ny lafiny firafitra na “forme”, raha ny filazan’ireo mpandinika azy no resaka eto fa mbola tsy miresaka ny antsoina hoe votoaty sy/na lanja kabary. Maro ny fanontaniana mipetraka tsinona tao anatin’izay hoe fanapahan-kevitra voadinika ve ny fanidiana fiangonana? Ny fihibohana 2 andro? Ny toeram-pisakafoana misokatra sy ny maro hafa? Fanontaniana goavana lasa manitikitika ny saina koa aza ny hoe resy lahatra tamin’izay voalaza rehetra tao anatin’iny kabary “nataony” iny ve ny “filoha hajaina mamim-bahoaka”? Manana 13 andro, manomboka eto, ny vahoaka Malagasy hitsarana an’izay. Ho tontosa anaty fampiharana ve ny teoria napetraka? Hampihena ny isan’ireo marary sy mamoy aina ao anatin’izao valanaretina izao tokoa ve ka tena hivadika ho famelomam-bahoaka marina amin’izay? Samy miandry izay famelomam-bahoaka marina izay tsinona izao ny rehetra na dia eo aza ity krizy ara-pahasalamana ity, izay tsy ho tokony ho fialana tsiny amin’ny tsy fahombiazam-pitantanan’ny mpitondra velively satria averina hatrany jery lavitra ny atao hoe mitantana, izany fiomanana amin’ny tsy ampoizina mandrakariva. Andeha atao hoe madiva hifarana io ny Kianja Barea, vita ny kianja hafa, mety hiteny koa ny mpitondra hoe EPP manara-penitra, tsena manara-penitra, lalana sy izay foto-drafitrasa-manara-penitra hafa rehetra saingy ny fanontaniana mipetraka ankehitriny dia hoe afaka manantena fivelomana manara-penitra sy fiainana milamina ve amin’izao fotoana izao ny vahoaka Malagasy niandrandra izay tao anatin’izay 3 taona nampanantenana fiainana sy tanana mamirapiratra azy izay?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.