Edito

Miandry fahatongavan-tsaina


  • Talata 31 Aogositra 2021

Ny tany Frantsa aloha izany nisy iny tafatafa tafo lanitra nandretirenty tokana ny sainam-pirenena frantsay iny. 2 andro taorian’ny nanaovan’ny

 filoham-pirenena frantsay izany tamin’ny filoham-pirenena Malagasy dia nandray ny filoha iranianina indray izy saingy soa aman-tsara tao an-dapa ary ny sainam-pirenen’ny 2 tonta no nirenty tao anatiny tao. Nisy ny nolazain’ny filoha frantsay tamin’ny filoha Malagasy fanomezana fanampiana ho antsika, hono, izay tsy ho ampatsiahivina angamba ny lelavola fa samy miara-mamisavisa koa ny mpanara-baovao hoe ampy ho antony tsy niresahana ny mikasika ireo nosy manodidina loatra ve ireny karazam-pifandraisana niseho ireny? Tsy lazaina intsony moa ny fanalam-barakan’ny gazety iray niparitaka hoe tany an-toerana nilaza fa nanitsakitsaka ny sakana ara-pahasalamana ny filoham-pirenena Malagasy. Fanontaniana heverina ho goavana mamintina ny fifandraisantsika amin’ity firenena iray ity ankehitriny ny hoe aiza ho aiza daholo tokoa moa izany tao anatin’ireny rehetra ireny ny tokontanin’ireo lazaina fa tolona nataon’izao fitondrana izao ho ambom-pom-pirenena sy ho fiandrianam-pirenena? Isany, ohatra, ilay resaka mikasika ireo nosy manodidina voalaza matetika io? Ekena mihitsy hoe tsy vao sambany nizaka fahafaham-baraka tao anatin’izao fitondrana izao ity firenena ity saingy samy mahay ilay oha-pitenenana hoe “soa lavo hahay hamindra avokoa” angamba raha mbola nitondra teto. Niaraha-nahita sahady indray anefa ireny ny tranga nisy omaly maraina ny fiverenan’ny tsy fahaiza-mametra fihetseham-po an’andriamatoa filoha toy izay efa niseho raha toa izao ahamehana ara-pahasalamana izao ka mbola fotoana fohifohy no niandoha. Ny heverina ho tokony zanaka an-trano indray no bedy sy voasoketa ary nolazaina fa nanala Baraka firenena mihitsy kanefa kay izy ity ka efa fanapahan-kevitra iraisampirenena efa ela. Na eo aza moa izany rehetra izany dia mbola miandry ny fahatongavan-tsainan’ny mpitondra maro hatrany mba hitandrina ka tsy hiverenana intsony amin’izany rehetra izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT