Edito

Miandry fahasahiana


  • Alarobia 16 Febroary 2022

Tsy misy adihevitra fa dia samy miandry fahasahiana avy amin’ny filoham-pirenena Malagasy aorian’ny diany avy any Eoropa izany amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ny mpanara-baovao.

 Ny resaka hoe fihaonana an-tampony sy ny hoe inona no andrasana amin’izany avy amin’ny filoham-pirenena sy ireo delegasionina nentiny any indray aza no toa zary tsy dia tena nahasarika ny saina loatra satria dia efa maro ihany izay fihaonana iraisam-pirenena tsy mbola nahitam-bokany tena nivaingana tato anatin’ity fitondrana ity izay. Na niteny aza ny mpandinika fifandraisana iraisam-pirenena hoe mila miady mafy ireo delegasionina satria io fotoana io koa no mety azo hararaotina handresen-dahatra ireo mpiara-miombon’antoka goavana na firenen-dehibe hamatsy vola ny IEM, izay tetikasa nampanantenain’ny filoham-pirenena tamin’ny fampielezan-keviny fa ho tanterahany ao anatin’izao 5 taona hitondrany izao, dia toa sarotra ny haminavina hoe iza amin’ireo solontena malagasy lasa any no hahavita izany fandresen-dahatra izany? Saingy ity resaka fomba fiasan’ireo governemanta izay mampitaraina ny havia sy havanana ary ny ankamaroan’ny olompirenena ity kosa dia tena heverina fa sambany mba hampifantoka, fara faha keliny 80% amin’ny filoham-pireneny hoe hanao ahoana ny fahasahiany amin’ity indray mitoraka ity. Nisy minisitra isan’ny voalaza ho nanao fihetsika mamoha henatra no sady manana vady mihevitra azy ho tsy maty manota eto amin’ny firenena mbola tafajanona ao. Misy minisitra na ny anarany aza tsy fantatry ny ankamaroan’ny mpanao gazety akory. Misy minisitra mety tsy mahafehy ny sehatra nametrahana azy ihany koa, raha izay no azo ilazana azy. Vao omaly ny omaly aza no naneho hevitra ny avy amin’ny hery havia sy havanana hoe maninona moa raha ravana manontolo mihitsy? Heverina fa tsy tongatonga ho azy avokoa izany fanehoan-kevitra rehetra izany fa dia manana 3 andro fara faha keliny hisaintsainana izany rehetra izany aloha izany ny filoham-pirenena ka dia samy miandry ny fahasahiany manapa-kevitra ny rehetra. Miandry fahasahiana!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT