Efa propagandy mihitsy no atomboky ny filohan’ny FAT amin’ny fitetezam-paritra ataony hatramin’ny faran’ny herinandro teo.
Misy hatrany ny fitokanana zava-bita sy fametrahana vato fehizoro amin’ny fanombohan’ny asa hafa, na dia efa nambara aza fa tsy tokony hanao tetikasa goavana sy maharitra ny fitondrana tetezamita. Ny mikaroka ny lalana rehetra hampilamina ny firenena sy hahatanteraka ny fifidianana ihany no andraikiny. Misy ihany koa ny fanomezan-toky etsy sy eroa ataon’ireo manampahefana, na minisitra izany na parlemantera. Araka ny fandinihana azy ireny dia efa fiomanana amin’ny fifidianana no antony, misimisy ihany mantsy ireo mbola te hahazo seza fa tsy hoe vita ny tetezamita dia hipetraka. Efa nahazo tsirony tsinona ka ! Tsy hita be ihany anefa ny tena marina amin’ilay fifidianana. Omaly izao dia nanambara ny praiminisitra Camille Vital fa ny CENI no tokony hanontaniana ny datin’ny fifidianana, na miandry izay fanapahan-kevitry ny fivorian’ireo mpanao politika.
Ny zava-misy eto amintsika dia misy ny fotoana ailika tsotra izao ny mpanao politika ary lazaina fa tia tena sy mifampiaro fotsiny, tampotampoka teo anefa, izy ireo indray no asaina manapaka izay daty hanaovana ny fifidianana sy ny fifidianana alefa mialoha. Mampanontany tena ihany koa ny hoe : rehefa amin’ny fotoana inona no mety amin’ny fitondrana tetezamita ny fifanarahana politika, sy ny hoe atao inona intsony izany ny FAT raha ny fivoriamben’ny mpanao politika no hanapa-kevitra isaky ny misy raharaha mafampana ?
Manomboka mandeha ihany koa ny resabe amin’izao fotoana fa matahotra ny hanapa-kevitra i Andry Rajoelina sy ny ekipany, sao tsy ho tanteraka indray ilay fifidianana, ka izay no antony anipazana ny baolina any amin’ny mpanao politika. Azo adika ho tsy fandraisan’andraikitra anefa izany satria i Andry Rajoelina izao aloha no fantatry ny olona fa mitarika ny tetezamita ka na misy mety na tsy mety mitranga dia efa izy no voatonona voalohany fa tsy olon-kafa. Sa hiala bala tahaka ny nataony taorian’ny nitrangan’ilay fandrobana sy halatra goavana teto an-drenivohitra tamin’ny 26 janoary 2009 indray ve ka hilaza fa tsy izy mihitsy no tompon’andraikitra ary tsy nisy tamin’ireo olona nivory teo amin’ny Kianjan’ny 13 mey na dia iray aza nandray anjara tamin’ireny asa ratsy ireny, fa dia olona tsy fantatra nipoitra tampoka avy any anaty tanàna any no nanatanteraka ny 26 janoary ?
Tsy filam-baniny mihitsy no ilazana izany eto fa tena izay no zava-misy. Tsy mahatapa-kevitra ny mpitondra, na tsy sahy manapa-kevitra, na efa mahalala fa tsy ho vita ny zavatra nambara ka mitady ny fomba rehetra hanadiovan-tena eo imason’ny vahoaka. Mbola azo hanaporofoana izany ny fisalasalan’ny FAT ny amin’ny hoe hanaiky izay ambaran’ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena ve sa tohizana ny lalana ary tena milaza mihitsy fa roso ny dia ka ataovy izay ataonareo eo ! Ny filohan’ny FAT dia efa nilaza tamin’ny aprily 2009 fa hiala ao amin’ny SADC i Madagasikara ary tsy mila maka lesona amin’ny Afrikanina izany, izay ny kabary fa tsy hita izay fampiharana azy. Tsy mahatapa-kevitra ny FAT fa dia mihodinkodina an-toerana eo miandry …fahagagana angamba !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.