Edito

Miandry fahagagana


  • Alarobia 25 Septambra 2019

Hita taratra ny tsy firindran’ny fitantanana ny firenena sy ny fikorontanana ao anaty fanjakana ao.Tsy voahaja ny fisaraham-pahefana, hany ka mifanenjana ny minisitry ny fitsarana sy ny Talen’ny rantsana mpandray fitarainana eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika.

 

 Ny Minisitry ny raharaham-bahiny lasa kandida ben’ny tanàna, ka ny Praiminisitra no miantsoroka vonjimaika ny toerany. Isan’ireo minisitera iankinan’ny fiandrianam-pirenena anefa io. Tao anatin’ny 9 volana, dia masoivoho any ivelany 4 no voatendry.Tsy misy vola ny fanjakana satria tsy maharesy lahatra ny mpiara-miombon’antoka, hany ka ny eo no ezahina havadibadika, hahafaha-manodina ny firenena aloha.Noroahina ny mpiasa tsy raikitra, nahena ny tetibolan’ny andrim-panjakana,…Mandeha ny pimaso amin’ny mpamatsy vola amin’ny fanehoana fa miady amin’ny kolikoly mba hahafahana mahazo famatsiam-bola, saingy miharihary ny fitanilana na ekena aza fa misy ny fampiharana lalàna. Mahagaga anefa fa fotoan-dehibe ny fivorian’ny firenena mikambana any New York, saingy toa nodian’ny filoha adala. Matahotra ny ho voatehamaina, toy ny tany amin’ny 10 taona lasa ve? Dia inona ihany izany no hatao amin’ity hambo-po diso toerana lava ity toy ilay hoe tsy mila fanampian’ny mpamatsy vola mahazatra?Tsy afaka ny hiala bala na hanilika rihitra any amin’ny hafa intsony satria efa manjaka tokana.Matoa nanao ny farahery sy nanao ny tsy fanao hatrany tamin’ny fandrombahana io fahefana io, dia tokony ho tahaka izany ihany koa ny hafainganana amin’ny fitondrana rivo-baovao sy fivoarana ho an’ny firenena. Hatreto, toa mbola tsy ampy angamba ny fahefan’ny filoha hampandroso sy hanarina an’i Madagasikara,  sa ve miandry fahagagana ?

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT