Edito

Miandry fahagagana


  • Sabotsy 12 Janoary 2019

fito andro katroka sisa dia handray ny fahefany amin’ny fomba manetriketrika ny filoham-pirenena vaovao.

 

 Ny antenaina sy hirariana dia enga anie izay fito andro izay mba ho fotoana tena handinihany lalina ny drafitra hahafahany manatanteraka tokoa ireo tetikasa nampanantenainy mba hitombo ho azy ireo vahoaka tena hankafy sy hankato, araka ny tarehimarika voalaza teo, ity fitondrany ity. Be dia be ireo « velirano » nataon’ity filoha ity, hoy ny solombavambahoaka avy amin’ny antokony izay. Na ireo efa niara-niasa akaiky taminy aza dia toy ny miaiky fa ho sarotra ny asa miandry azy. Miandry fahagagana ihany ny rehetra, raha ny tantara tany aloha no iverenana. Efa nilaza anefa izy fa efa niova ka dia ho hita eo ny fahamarinany. Mba ho farany tamin’ny endrika ratsy tomaratry ny mety ho fitondrany anie ny zava-nisy nandritry ny fifidianana natao teo ! Iza tokoa moa no nanampo fa ilay filoham-pirenena nalaza ho lany tamin’ny hosoka sy halabato tamin’ny taona 2013 iny no nahavita nampiseho fihetsika demokraty indrindra tamin’ireo rehetra nandalo teo alohany ? Azo lazaina ho fahagagana ireny na dia nisy aza ireo namendrofendro sy tsy mahay mijery afa-tsy ny lafy ratsin’ny zava-miseho. Ny hirariana amin’ity dia mba tsy ho ilay filohan’ny tetezamita tamin’ny taona 2009 izay nalaza ho mpamingavinga raiamandreny politika, raiamandreny miaramila, eny, raiamandrenim-piangonana mihitsy intsony no filohan’ny repoblika amin’izao taona 2019 izao fa tena ho mpitondra hita ho nisy fiovana “manara-penitra” tokoa. Hitombo fahamatorana ara-tsaina sy ara-panahy, indrindra indrindra. Hitombo amin’ny fahazakana demokrasia ary hahay hihaino ny hafa ihany koa sady hiaiky fa nanao lesoka tany aloha. Asa moa na hiverina hisokatra sy azo hanehoan-kevitra an-kalalahana amin’izay ilay atao hoe kianjan’ny demokrasia fa ny azo ambara dia miandry fahagagana.

J. Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT