Edito

Miandry fahagagana !


  • Alarobia 06 Desambra 2017

Antomotra ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018, ary samy mitady izay fomba fiady hoenti-mandresy na ireo sokajiana ho mpanohitra na ireo eo amin’ny fitondrana.

Ny zavatra tsy azo lavina kosa dia ny tsy fisian’ny fitsipi-dalao mazava hoenti-miatrika izany, ka raha haravona dia toy ny manorin-javatra eo ambony torapasika, ka tsy misy antenaina afa tsy ny firodanana tsy ho ela isika. Tsy misy ny sori-dalana mazava hatreto fa mbola samy maka ho azy. Izay tokoa ve ny vahaolana ? Ny azo antoka aloha dia tsy hisy zava-banona sy filaminana azo andrandraina eto raha mbola handeha ny kajy maloto sy kopisoroka tsy misy fifanekena eo amin’ny besinimaro. Mipetraka amin’izay ny fanontaniana hoe : iza marina no tia tanindrazana vonon-kifanakalo hevitra hoenti-mametraka ny fitsipi-dalao sy hanome fahalalahana ny vahoaka hifidy izay olona mendrika azy ? Toa efa tandra vadin-koditra amin’ny Malagasy ity fihatsarambelatsihy milaza ho tia tanindrazana sy ny manasoa vahoaka ity, saingy hatreto aloha dia fitiavan-tena no betsaka. Tsy vitan’ny resabe sy ny fireharehana na ny kabary sy ny resabe efa ho lava io, fa mila finiavana sy fanetren-tena. Mila fihavanana sy fifanomezan-tanana, saingy mbola miandry fahagagana aloha ny Malagasy hatreto. Sarotra tokoa ny handresy lahatra olona efa zatra nihinana sy niliba ary nahita tsirony tao anaty fitondrana, ka hiova sy hahatsapa ny atao hoe tombontsoan’ny besinimaro. Dia sanatria tokoa ve isika efa tojo amin’ilay hoe fahagagana sisa andrasana ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT