Edito

Miandry fahagagana


  • Zoma 23 Oktobra 2015

Ao anatin’ny mangidy no misy ny mamy, hoy ny fitenenana izay. Ankehitriny, maro ny olona kivikivy ihany fa toa tsy misy mamy azo antenaina mihitsy amin’izao ngidin’ny fiainana izao

 


. Nipoapoaka ny kabary tamin’ny fifampiarahabana noho ny taom-baovao teny Iavoloha tamin’ny volana janoary, hifarana afaka roa volana ity ny taona fa tsy hita ihany izay tena marina. Ny zava-nisy tamin’ny taona 2013 fony tetezamita ihany no mbola iainana : tsy misy ny asa mivaingana vita, tsy misy ny vola, mitombo ny asan-jiolahy, miha mahazo vahana ny delestazy. Fisehosehoana ivelany mba hanamarinan-tena sy hanakianana foana ny hafa ho sakana amin’ny asa fampandrosoana no ataon’ireo mpitondra. Rehefa zohiana anefa ny zava-misy dia ry zareo ao amin’ny fitondrana mihitsy no tena sakana e ! Izao dia tadiavina homena toerana sy tombontsoa avokoa ireo fianakaviana akaiky ny mpitondra, ka aiza moa no hahatoky antsika ny mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka e ! Tsy misy anefa ny vahaolana aroso fa dia mitan-takolaka miandry fahagagana ny mpitondra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT