Edito

Miandry fahagagana


  • Alatsinainy 29 Jona 2015

Vita iny ny fety fa dia miatrika ny rotorotom-piainana indray ny isam-pianakaviana. Niakatra ny vidin-tsolika ny faran’ny herinandro teo ka asa izay hataon’ireo mpitatitra na hampiakatra saran-dalana na ahoana.

 


 Efa miala sasatra moa ny ankamaroan’ny mpianatra saingy misy kosa ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana. Raha vao miakatra io saran-dalana io dia tsy maintsy misy akony amin’ny vidin’entana eny an-tsena foana, araka ny efa fahita hatramin’izay. Eo amin’ny sehatra politika indray dia tsy misy mpiresaka intsony ny fifidianana ben’ny tanàna. Ny fifanarahana na « pacte » indray izao no lamaody. Roa karazana izy io dia ny “pacte de stabilité” sy ny “pacte de responsabilité”. Hiroso handinika sy hampihatra azy io ve ny mpitondra sy ny mpanao politika sa tsia ? Tsy mazava amin’ny vahoaka rahateo ny tena tanjona, satria efa nisinisy ihany izay fifanarahana nosoniavina teto izay nanomboka tamin’ny aogositra 2009 fa dia izao krizy tsy mety vita izao. Tsy dia ny fifanarahana akory no hanao fahagagana eto fa ilay toe-tsaina entina miaina sy manao politika mihitsy no mampihemotra antsika eto Madagasikara. Manjaka ny vola sy ny kolikoly any amin’ny faratampony ka hatrany amin’ny rafitra farany ambany. Zary lasa efa fomba amam-panao ilay izy, ka asa izay hahavita hanova zavatra eto ka hampihiratra ny masom-panahin’ny tsirairay mba hiova fo marina ka hizotra amin’ny lalana tena izy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT