Edito

Miandry fahafatesana !


  • Zoma 15 Septambra 2017

Tsy milamina intsony ny tany ary mbola hihamahery vaika izany atsy ho atsy. Tsy mandondom-baravarana intsony ny fahantrana fa efa ao an-tsoso-koditra ho an-dRamalagasy.

Ny fahafatesana kosa efa eo an-tokonana satria mitatao ny aretin-doza, izay toa sarontsaronana sy ezahina hanaovana fampandriana adrisa. Rehefa tsy eo indray ny aretina, dia mandragaranga ny heriny ihany koa ny dahalo sy ny jiolahy, izay tsy mitsitsy fa mandatsak’aina. Toa mandindona andro aman’alina ny fahafatesana, ary tsy misy mandeha amin’ny laoniny intsony ny zava-drehetra. Mananontanona ihany koa amin’izao fotoana izao ny krizy politika vaovao satria ahiana indray ny korontana amin’ny fifidianana. Mampametra-panontaniana hoe tsy afaka ny hiova mihitsy ve na ny mpitondra na ny vahoaka, fa dia izao hatrany no toa anjara fiainana natokana ho an’ny Malagasy ? Zary mifanome tsiny lava eto isika, fa toa tsy misy mijoro ho tena tompon’andraikitra. Ny mpitondra sy ny mpanao politika tia tena sy tsy manao afa tsy mangoron-karena. Ny vahoaka toa tsy tan-dalàna sy mandrora mitsilany, ka manao izay saim-patany. Miainga amin’ny fahatongavan-tsainy tsirairay ny fampandrosoana, fa tsy hisy fahagagana izany eto, raha mbola hifaninana hamotika sy hanao izay saim-patany, toy ny fanjakam-boalavo eto isika. Tsy hisy fiadanana sy fiandrianana azo hantenaina, fa miandry fahafatesana ara-bakiteny no atao eto.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT