Edito

Miandry fa Gasy e !


  • Talata 13 Martsa 2012

Manankarem-baovao indray ity herinandro ity raha araka ireo fandaharam-potoana isan-karazany.

 Eo aloha ny fanambarana mety hataon'ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin'ny FFKM, ny alakamisy izao. Andrasana ihany koa izay hambaran'i Marius Fransman sy ireo delegasiona avy amin'ny SADC aorian'ny fahavitan'ny asan'izy ireo ny alakamisy ho avy izao. Hafampana ihany koa, raha ny fahitana azy, ny fifidianana izay ho filohan'ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara na SMM ny zoma ho avy izao. Etsy ankilan'izay rehetra izay dia mbola mety hisy ihany koa ny fitokonana etsy sy eroa, tahaka ny an'ny mpianatra eny amin'ny oniversite, ny mpampianatra mpiasam-panjakana, ny mpiasan'ny ala eny Nanisana. Tsy maintsy horesahan’ny SADC ny momba ny fampiharana manontolo ny tondrozotra sy ny fanaovana famotsoran-keloka faobe, tsy misy fanavakavahana na endrika fanilihana. Raha ny fahitana ny zava-misy, tato anatin'ny iray volana izao dia samy mangina ireo lehiben'ankolafy, na ny eto an-toerana na ny avy any ivelany. Manomboka tsikaritra ihany koa fa tsy maintsy vita sy mihatra aloha ny famotsoran-keloka, vao miverina eto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana. Ary azo atao mihitsy aza hoe, ara-politika, dia io famotsoran-keloka io no tapakila miverina ho azy ka hahafahany miditra malalaka eto sy tsy voakasika na voatonontonona amina raharaham-pitsarana intsony. Azo raisina ho fandeferana goavana ataon'ny ankolafy Ravalomanana izany, satria tsy mbola olo-meloka akory no manaiky hofafana heloka amin'ny alalan'ny amnistia.

Izay moa ilay hoe tsy maintsy misy ny fandeferana ary hampanginina ny hambom-po. Ny manahirana amin'ity resaka ity anefa dia tsy te hahalala izany fandeferana sy fifanomezan-tanana ary fiaraha-miasa izany mihitsy ny ankolafy Rajoelina ka dia mikatso foana ny raharaha. Efa maromaro ihany izay dinika sy fihaonana izay kanefa toa ny teo aloha ihany no miverina. Efa maro karazana izay delegasion'ny SADC tonga teto izay, saingy tsy mety vita ihany ny fanelanelanana. Asa indray izay havoaky ny karatra amin'ity indray mitoraka ity. Dia miandry aloha fa ...Gasy e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT