Edito

Miandry fa Gasy


  • Talata 03 Jolay 2012

Avotra ary tafaverina eo am-pelatanan’ny fianakaviana ny nofo mangatsiakan’ireo miaramila lavo an’ady raha nifanehitra tamin’ny dahalo tany Befotaka tany ny fiandohan’ny volana jona teo.

 Mbola miriaria any kosa ry Remenabila sy ry Tokanono ary ry Raopilany. Halatra omby sy fampihorohoroana any ambanivolo no tena ataon’ireo amin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny. Tampoka teo dia nipoitra indray ny raharaha Moustapha. Resaka baomba sy vono olona an-tanàn-dehibe indray kosa no nampalaza ity farany, ary lasa nanakona ny raharaha Remenabila. Taorian’ny Kianjan’ny 90 Ariary dia teny ho re miverimberina manomboka izao indray ny hoe : “Rue de la liberté”. Eo Anosy no hisy azy io, ary ho ambohipihaonan’ny mpiasam-panjakana izay ny SEMPAMA no hisantatra azy. Etsy ankilany dia raikitra ihany izany ny dingana famaranan’ny CAN rugby. Nekena fa dia azo hilalaovana ihany mantsy ny kianja Mahamahasina, izay voahosihosy nandritra ny fetin’ny fahaleovantena. Vokany, mandefitra izay adina ara-panatanjahantena bakalôrea tokony hatao ao Mahamasina mandritra io CAN io. Mandritra izany rehetra izany dia zara raha misy mpiresaka ilay fihaonana hifanaovan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina. Amin’ity herinandro ity moa no voalaza fa hanambara ny daty sy ny toerana hanatanterahana azy ny SADC. Ka dia miandry izany fa Gasy !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT