Edito

Miandry fa gasy


  • Talata 18 Jolay 2017

Ity tokoa vao tonga amin’ilay fomba fiteny hoe “miandry fa gasy”.


Nandrasana nanomboka tany amin’ny taona 2013 ny nivahan’ny delestazy tao anatin’ny 6 volana fa na ny olana eo anivon’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy aza manambana fisavorovoroana hanampy an’ireo mpiraki-draharaha sy ny mpitsara ary ny mpiasan’ny fadin-tseranana sy izay mpiasam-panjakana rehetra manambana hitokona indray. Nampanantena ary nilaza mihitsy ny filoham-pirenena omaly fa tsy hisy fiantraikany eo amin’ny fidangan’ny vidim-piainana ny fivoahan’ny vola vaovao dia andrasana tokoa ary izay ho fahamarinany ato ho ato. Tena hitondra akony tsara eo amin’ny fahefa-mividin’ny sarambabem-bahoaka tokoa ve sa tsia raha toa ka n any mpanara-baovao iraisam-pirenena aza efa miaiky sahady fa miteraka resabe sy fimenomenonana izany. 2 taona monja dia ahavitana fotodrafitrasa goavana, hoy ny filoham-pirenena fa ny fampandrosoana kosa mila fotoana. Hiandry rahoviana ary?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT