nambara ho vitan’ny filoham-pirenena ankehitriny sy
fitondràny izay tsy vitan’ny teo alohany tao anatin’ny 60 taona nefa ho vitain’izao fitondràna izao anatin’ny 5 taona izany izao ny firenena! Efa ho 8 taona aty aorian’ny nampanantenany izany isika miresaka io. Fomba fiteny ihany angamba nefa ny hoe miandry iaraha-mahalala sy mahita ankehitriny ny zava-miseho manerana ny nosy. Tsy misy afa-tsy famonoana afo ireo hetsika fitakiana samihafa. Ao ny famoahana ireo lazaina fa mpitandro filaminana saingy ho an’ireo olompirenena mpitazana samihafa na koa manao fitakiana dia mijanona hatrany ho hery famoretana vahoaka no namaritany azy ireny tao anatin’izao fitondràna izao. Rehefa tsy maty amin’ny alalan’ny fifampidinihana ombàna fampanantenana am-bava samihafa ny afo dia tampenan’ny entona mandatsa-dranomaso sy ny tahaka izany. Nisy mihitsy aza moa ireo mpiray tanindràzana izay namoy ny ainy toy ireny hita tany Toliara ireny. Ny eo anivon’ny fanoherana izao fitondràna izao sy ny mpanohitra ilay tetikasa Base Toliara nilaza fa maty noho ny fiarovany ny tanindrazany ny naman’izy ireo. Ireo tomponandraiki-panjakàna sasany misy milaza fa raharaha hafa mihitsy toy ny resaka fakàna an-keriny no tao ambadika. Mipetraka ny fanontaniana hoe inona no antony nakàna an-keriny an’ilay olona ary raha izany? Zanaka mpanankarena ve izy iny? Inona no antony manokana mety hisotasotàna ny fiainany toy ireny? Miandry valiny maharesy lahatra ny mpanara-baovao maro amin’izao fotoana izao ary tsy mahasakana ny hetsika fanehoana tsy fahafaliana hafa manoloana ireo tsy fandehanan’ny sehatra maro eto amin’ny firenena koa nefa izany. Ireny ny raharaha ao Imerintsiatosika na Arivonimamo, ny fitakian’ny mpiasan’ny ACM, mitsingilahila tsy hita hoe mankaiza ny diplaomasia. Inona moa no azo amintinana ny anton’izany rehetra izany ankoatran’ny hoe tsy hita veroka hatramin’izao ireo fampandrosoana nampanantenaina tamin’ny 8 taona lasa?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.