Miandry an’ilay fahagagana

Miandry an’ilay fahagagana ho


  • Zoma 23 Aogositra 2024

entin’ireto nohirahiraina tao anatin’ny 40 andro mahery

hoe governemantan’ny fahagagana na governemanta manao mirakla ireto izany isika izao. Raha ny eo amin’ny lafiny endrik’olona aloha izany no ambara dia azo lazaina nisy endrika vaovao maromaro ihany. Ny firafitra koa moa izany dia iny novoizina hoe miralenta iny satria hoe 50% vehivavy ary 50% lehilahy. Firafitra angamba no azo ilazana azy fa tsy rafitra niova, raha hatreo amin’ny fonony ihany aloha na hoe endrika hatrany no asian-dresaka. Efa nampanantenain’ilay filoham-pirenena moa ny hoe hametraka sekreteram-panjakana miisa 4, volana maromaro lasa izay. 2 izany izay no tafapetraka. Isan’ny mametra-panontaniana goavana indray ankehitriny ny mikasika ity hoe minisitra delege misahana ny zandarimaria ity taorian’ny nanovàna ny anaran’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ho lasa minisiteran’ny foloalindahy. Inona daholo no anton’izany rehetra izany? Fa maninona no tsy maintsy nomena minisitera manokana ilay zandarimaria ary maninona no nosoloina hoe «foloalindahy» ilay hoe «fiarovam-pirenena»? Tsy mila fiarovana ve izany ny firenena? Fanontaniana toa tsotsotra avokoa izany rehetra izany, ho an’ireo izay mahara-baovao sy tena mpanara-baovao moa izany, nefa toa fanontaniana mahalasa saina ihany? Iza moa no tsy mahalala amin’izao fotoana izao fa misedra olana ara-toekarena sy sosialy goavana ankehitriny ity firenena ity? Mbola mety ho fomba fiteny matetika ho heno ato ho ato indray ve nefa izao ilay hoe avelao aloha izy ireo hiasa!? Ho hita eo tokoa moa fa dia miandry an’ilay fahagagana izany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT