Miandry am-pitoniana !

Miandry am-pitoniana ny vokatra vonjimaika avy amin’ny CENI sy ny ofisialy avy amin’ny HCC!


  • Zoma 31 Mey 2024

min’ny ankapobeny dia saika izay hatrany no namaranan’ireo kandida ny teny fisaoran’izy ireo ny olompirenena

rehetra nametraka ny fitokisany tamin’izy ireo tao anatin’iny fifidianana solombavambahoaka iny. Miandry ny valiny tokoa izany izao no atao fa eo anelanelan’izay dia niaraha-nahita ny fanatrarana endrika hosoka sy halatra isan-karazany mikasika izay fifidianana iny ary vao mainka naha be ny ahiahy aza ny naha toy ny kisendrasendra hoe nipaika tsara mihitsy ny tamin’ny 5 ora hariva dia saika niaina fahatapahana herinaratra avokoa ny teto Antananarivo renivohitra. Ny tany Ankilimalinika, Toliara II, moa dia hoe tamin’io 5 ora hariva io mihitsy vao nivoha ny biraom-pifidianana. Tsy nisy biraom-pifidianana tsy nahenoana olana na ny teto anivon-tany na ny tany amin’ireo faritany hafa. Fokontany hafa teto an-drenivohitra aza moa nisy nahenoana mihitsy hoe vato tany amina distrika hafa ivelan’Analamanga no tonga tao fa ny tena tao tsy fantatra hoe nankaiza? Dia lasa ny saina hoe nanahoana izany no niafarany? Natao ve izany sa tsy natao ilay fifidianana? Na maro na vitsy dia heverina fa tsy hisy afaka hilaza angamba hoe tsy nisy ny tsy fahatomombanana nandritr’iny fifidianana ambara hatrany fa manakaiky vahoaka iny. Miandry am-pitoniana, hoy ny ambetin-teny matetika heno saingy ny herivelona politika ivelan’ny fitondrana moa dia ireny niaraha-naheno ireny, indrindra ny fanoherana, na dia niteny an’izany koa aza dia nanamafy fanampin’izay fa tsy hanaiky lembenana intsony. Aoka izay, hoy izy ireo, ny tsy fanarahan-dalàna eto amin’ity firenena ity! Miandry tokoa moa izany! Miandry am-pitoniana !

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT