Edito

Miandry


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Ny fahamarinana manandratra firenena. Kolontsaina Kristianina izany. Ny mpitondra antsika saika milaza azy ho Kristianina avokoa.

 

Ny tody itsy misy, ny atao no miverina. Kolontsaina Malagasy indray izay. mataho-tody ve ireo mpitondra? Efa nampametra-panontaniana ny maro hatrany am-piandohana ny antony tsy nisiana baiboly na zava-manan-kasina hafa nianianan’ny filoham-pirenena na koa hoe nanaovany velirano, araka ny famaritany azy. Mbola velom-panontaniana amin’ny antony tsy fisiana mangarahara hatrany ao anatin’izao raharaha izao aloha ny ankamaroan’ny Malagasy na dia misy aza ny fihezahana fanazavan-tsaina ataon’ireo tompon'andraikitra sy dokotera isan’andro ny amin’ny tsy tokony hametrahana fiahiahiana. Miandry izay higadonan’izany tena mangarahara izany na dia hita ho kely finoana sy fanantenana ihany aza ny mpanara-baovao. Toa hafa ny nambaran’ny filoha omaly. Hafa no ataony androany. Nalaza moa teo aloha teo ny resaka fitiavan-tanindrazana ary niezaka namaritra izany araka ny fomba fijeriny ny filoham-pirenena sy ireo ao anaty fitondrana. Tena fitiavan-tanindrazana ve ny hoe fikambanana tokana dia izay an’ny vadin’ny filoham-pirenena irery sy ireo izay hita ho toa iray fianakaviana aminy ihany no misahana ity rehetra ity? Fa angaha moa tsy hoe tsy azo aondrana indray ny tambavy CVO sy ny manodidina azy? Lasa miha voamarina ny ahiahin’ny maro ankehitriny hoe sao dia ity tokoa ary ilay vakisiny ho andramana amin’i Afrika nony nahita izany ho zaraina sahady amin’ireo mpikamban’ny CEDEAO? Sao dia bizin’ny filoham-pirenena ihany koa, hoy ny ahiahy hafa? Raha tena aina tokoa no vonjena, tsy azon’ny filoha atao ve, ohatra, ny mividy ny fahazoan-dalana na “licence” amin’ny IMRA dia zaraina amin’ny vahoaka ny raikipohin’ilay “tambavy majika” ahafahany mikarakara izany any an-tranony, hoy ny vazivazy zary tenan’ny sasany? Maninona koa no tsy natao Karenjy ireo 4x4 miisa 70 ? Miandry ny rehetra.

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT