Miandrandra lanitra!

Mafana dia mafana ankehitriny ny toe-draharaham-pirenena.


  • Alarobia 12 Febroary 2025

Tsy Antananarivo irery tokoa no Madagasikara! Hitantsika ireny olompirenena niaro ny safidiny

niditra am-ponja tafakatra 21 isa ireny. Ny tany Ikongo moa dia iny hoe naiditra teny Tsiafahy noho ny fanoherana tetikasa iray iny. Olona miisa 17 be izao, hoy ny voalaza. Iaraha-mahita koa io ny zava-misy ao Antsiranana. Izany rehetra izany no manampy trotraka ny tsy fandriampahalemana mitoetra manerana ny nosy, ny hamafin’ny vidim-piainana, ny hamafin’ny vidin-tsolika sy izay mety ho fahasahiranam-bahoaka rehetra mianjady eto amin’izao fotoana izao. Ny mpitondra, araka izany, mazava ho azy, fa variana miaro ny sezany, raha ny taratra amin’ireo tranga rehetra misy aloha. Tsy mbola voalaza teo ny tsy fahafahana maneho hevitra na dia anatina efitrano aza fa mila solontenan’ny prefektiora manatrika mba tsy ilazàna hoe solontenam-panjakàna. Manana vahaolana manoloana ireo olana rehetra misy ve ny governemanta malagasy na ny fitondràm-panjakàna sa efa azo indray aloha ny fotoam-piasana faharoa dia ampy izay na dia efa voatomban’ny firenen-kafa aza fa firenena faran’ny mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ny firenena tantanany? Hatramin’ny tahirim-bola iraisampirenena sy ny banky iraisampirenena mihitsy moa no efa naneho ny fahantrana lalina misy eto saingy ireny niarahantsika rehetra nahita ireny ny fahasahian’ny fitondràm-panjakàna nandiso izany tamin’ny alalan’ny filohan’ny antenimierandoholona. Inona moa izany no azon’ny vahoaka malagasy antenaina anatin’izany rehetra izany? Miandrandra lanitra sisa! Miandrandra lanitra!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT