Edito

Miandrandra fitoniana


  • Alatsinainy 27 Aprily 2015

Hanamarika ny fiainam-pirenena indray amin’ity herinandro ity ny resaka fampihavanam-pirenena satria hanomboka rahampitso ilay fakan-kevitra nasionaly karakarain’ny FFKM eny amin’ny CCI Ivato. Misimisy ihany ireo handray anjara amin’izy io na dia niteraka resabe aza ilay fandoavana vola 200 000 Ar

 


; efa mahazatra eto amintsika ihany moa ilay be baba sy manakiana kanefa avy eo tonga ihany.Adihevitra mbola tsy mety mifarana moa hatramin’izao ny hoe : mety marina ve io endrika nitondrana ny fampihavanam-pirenena io, manao io ny FFKM, manana ny eritreriny hitondrana ny fampihavanana koa ny FFM, mety mbola maisy vondron’olona manana eritreritra hafa ihany koa. Tokony ho tokana ihany anefa ny tanjona dia ny hisian’ny fitoniana hahafahana miasa sy manarina ny firenena. Tena miankina amin’ny tsirairay ny maha mety na tsia ny fampihavanana, tsy vahiny amin’ny resaka firaisankina sy fifanampiana ny malagasy, kanefa tompondakan’ny fihatsarambelatsihy ihany koa, ka mety ho noho izay no maha sarotra ny fanantanterahana ilay fampihavanana. Na izany aza anefa dia maro no manantena, tsy vitsy no mino fa hanova zavatra ho amin’ny tsara kokoa izao hetsika atao izao na dia tena mbola lavitr’ezaka aza ny fampihavanam-pirenena, iainana io fa tsy resahana fotsiny !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT