Edito

Miandrandra fahamarinana


  • Alatsinainy 07 Janoary 2019

Fahamarinana, fahamarinana ! Teny malaza sy nankalazaina io tao anatin’izay volana maromaro izay.

 

 

 Ankehitriny moa dia lasa tolona iarahan’ny maro mitady mihitsy ny hoe avoahay ny fahamarinana. Na fikambanana tsotra na mpanao politika na mpitondra fivavahana, olom-pirenena sy ny hafa marobe dia samy miandrandra fahamarinana hivoaka sy hanjaka eto amin’ny firenena avokoa ankehitriny. Asakasak’izay olom-pirenena maniry ny hiadanan’ity Madagasikara ity tokoa ka hanohitra ny hivoahan’ny fahamarinana. Mafonja ny hafatry ny filohan’ny FJKM, izay mpitarika ao amin’ny FFKM, raha nindrana ny tenin’ny baiboly hoe “ Ny fahamarinana manandratra firenena”. Na tsy Kristianina aza, rehefa tsy minia manampi-maso, ka mijery ny zava-mitranga eto amin’izao tontolo izao dia inoana fa resy lahatra amin’izany fehezanteny izany. Ireo firenena mahantra sy fadiranovana rehetra eto ambonin’ny tany, anisany isika, dia malaza amin’ny endrika tsy fahamarinana marobe. Eo ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana, ny trafika sy ny hosoka isan-karazany. Efa ela ny vahoaka Malagasy no nangetaheta fahamarinana. indrindra fa tamin’iny taona lasa iny. Nahavelom-panantenana ery ny fampanantenan’ny filohan’ny CENI indray volana jolay izay manao hoe izaho tenako mihitsy no hiantoka ny fangaraharahan’ny fifidianana raha nanontanian’ny mpanao gazety ny antoka ahafahany milaza hangarahara ny fifidianana rehetra ho avy nanomboka tamin’ny filoham-pirenena. Tonga amin’ilay fitenenana nefa nony taty aoriana hoe nantenain-kanirina vao nampivandravandra. Rahampitso izany no antenaina fa ho fotoana volamena hiandrandrana ny fivoahan’izay fahamarinana izay. Hitodika etsy Ambohidahy ny maso rehetra. Ilay lanim-bahoaka marina ve no holazaina fa mpandresy sa ilay hita ho nolanian’ny manampahefana sasany tamin’ny hala-bato, araka ny fitarainana heno etsy sy eroa ? Ho sahy handray fepetra goavana toy ny fanasaziana izay nanatontosa izany halatra izany ve ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ? Sa inona no fanapahan-kevitra hafa mety horaisiny ? Ny zava-dehibe dia ny hoe izay eken’ny rehetra fa marina na hahafahana mitady ny marina no enga anie hivoaka !

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT