Edito

Mianatra demokrasia!


  • Talata 27 Aogositra 2019

Efa tamin`ny hetsi-bahoaka notarihan`ny herivelona tamin`ny taona 1991 i Madagasikara no “mianatra demokrasia”.

Maro ny zavatra nandalovana sy niainana kanefa amin`izao 2019 izao dia mbola lazaina foana fa “jeune democratie” ary mbola mianatra foana i Madagasikara. Iza no tena manimba ny fampiharana ny demokrasia eto amintsika ? Moa tsy ny mpanao politika ihany dia izy ireo ihany no mifanakiana sy mifanongana avy eo. Ny vahoaka koa moa tsy ampy fianarana dia lasa malaza tsy hihinanana toa vilihin-tsahona ihany ilay hoe marani-tsaina ny Malagasy. Toa voafitaka foana ihany ramalagasy isaky ny mihetsika ka ireo lasa any ivelany koa moa tsy marisika hiverina eto mba hanaitaitra koa, hany ka manamora ireo mpanao politika. Ataon`ny mpanao politika fialana bala ilay hoe “ mianatra demokrasia” rehefa raikitra ny ankivadika palitao (nomadisme politique). Ho an`ireo depiote dia voalaza mazava ao anatin`ny lalàmpanorenana izany ao amin`ny andininy faha-72 izay milaza mazava fa tsy azon`ireo solombavambahoaka atao no miovaova antoko na vondron`antoko politika hafa rehefa tonga eo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Rehefa raikitra ihany koa ny repoblikan`ny malety dia ambara foana fa mbola vao mianatra demokrasia anie isika dia mifamindra fo ao ireo mpanao politika sady mameno paosy ihany. Ny mampalahelo anefa dia ny vahoaka mpifidy no mifandramatra. Aiza ho aiza ny hoe demokrasia eto Madagasikara raha avy amin`ny vahoaka izany, entin`ny vahoaka, ho an`ny vahoaka ?

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT