Ity vao ho tonga amin’ilay hoe : mialoha ny tsy hitrangan’ny gidragidra raha tsy mitandrina.
Toy ny efa sary niseho sy sarimihetsika nandeha izany ilay mamoaka fanambarana tohivakana ity. Tsaroana ny tamin’ny 10, 20, 30 taona lasa izay fa niteraka fehin-kevitra tsy nitondra soa ho an’ny firenena hatrany. Mamoaka fanambarana ny an-daniny dia mamaly avy eo ny an-kilany dia toy izay hatrany mandra-pahatonga ilay fetra zary toa nandrasana kendry tohana. Tamin’ity indray mitoraka ity dia avoaka ihany ny fanambarana kanefa ny hetsi-pifanoherana koa hifanaovan’ny andaniny sy ny ankilany foana. Eo anelanelan’izay dia tsy manao afa-tsy ny iraka nampanaovin’ny « lehibeny » azy ireo rehetra nirahana hanao izay hahatanterahana ny fifidianana. Ireto iraka ireto dia tsy volombolon’ny hilefitra amin’ny fitakian’ny ato an-tokantranony mihitsy aloha hatreto fa toa izay nampanirahan’ny « lehibeny » azy ihany ny azy no hikirizany. Tsy hiraharaha izy na hisy ny marimaritra hahatongavana sy iainana izany ao anatin’ny fitoniana na avy dia hotontosaina bontolo be fotsiny ity antsoina hoe : fifidianana ity. Hanaiky izay vokatr’izany Ramalagasy tsara. Tsy hanaiky dia mody hifanilika andraikitra toy ny mahazatra eo indray ireo nanapa-kevitra hoe : tsy avy aminay fa amin-dranona. Ao koa ireo tsy hitady ny vahaolana hanarenana ny tsy nety fa mbola ilaozana midehaka aloha hoe : io ary ilay efa nolazainay. Andrasana moa izay ho tohiny fa ny azo lazaina aloha dia hoe ny hery ato anatiny no mila mahay mifanaraka mialoha sy mitandrina mialoha ny tsy hitrangan’ny gidragidra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.