Edito

Miala rehefa tsy mahavaha olana


  • Zoma 07 Novambra 2014

Ambetin-tenin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina anatin’ireny fitokanana zava-bita na fanamarihana hetsika ofisialy ireny tato ho ato rehefa mikabary mivantana ho ren-tany ren-danitra izy fa ny zavatra nandrasan’ny vahoaka tao anatin’ny 20 na 30 taona lasa dia vitan’ny fitondram-panjakana tarihany ao anatin’ny fotoana fohy dia fohy

Te haneho sy hanamarina amin’ny ambanilanitra izy fa manao zavatra fa tsy hoe tsy mahavita na inona na inona araka ny sahoan-dresaka mandeha etsy sy eroa ankehitriny.  Rehefa tena zohina anefa dia hita fa fisehoana ivelany fotsiny ireny atao rehetra ireny atao vonjy tavan’andro hampisehoana an’izao tontolo izao fa miasa tokoa ity fitondram-panjakana ity. Ireo firenena any ivelany anefa manara-maso sy mahita ny zava-misy marina amin’ny alalan’ny solontenan’izy ireo manotrona ireny lanonana ireny ka mahatsapa fa tsy mbola lavorary ny fampianarana eto Madagasikara fa be ny zaza tsy tafiditra an-tsekoly noho ny fahasahiranan’ny raiamandreny, miverina mamely indray ny areti-mandoza pesta eto amin’ity firenena Malagasy ity amin’izao taon-jato faha-21, manjaka ny gaboraraka sy kitranoantrano eny anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy minisitera isan-tsokajiny any, tsy mbola voafehy ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena hatramin’izao toy ny boaderozy, volamena, vatosoa, sokatra … manjaka ny tsy fandriampahalemana amin’ny fahitana vono olona amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika isan-karazany, tsy voahaja ny demokrasia sy fanajana ny zon’olombelona fa tazotazonina fahatany noho ny halako bika tsy tiako tarehy sy noho ny firehana politika tsy mitovy ny olom-pirenena Malagasy, ny fampihavanam-pirenena anefa etsy an-kilany dradradradraina am-bava ihany. Na ny valalabemandry aza anefa efa tsy azo ampiesonina amin’izany intsony ankehitriny mainka fa ireo diplaomatika manana traikefa sy fahaizana ambony lavitra ireo ! Aleo ho’aho mahitsy fijery dia manipy “gang” rehefa tsy mahavoa raha ! Ny tompon’andraikitra tsy mahavaha olana mantsy dia izy tenany mihitsy no olana e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT