Edito

Miala Rajao !


  • Alarobia 16 Mey 2018

« Miala Rajao ! » Tsy misy izay tsy mahalala na mahita izay hiaka izay angamba ireo mpanara-baovao sy mpilalao eny anivon’ireny tambajotran-tserasera ireny.

Na amina tranga tsy tokony hidirany aza dia asesika io hiaka io. Na toa endrika vazivazy aza indraindray fa mazava hatrany ny tiana hambara sy ny hafatra. Tokana ihany ny fitakiana dia ny fametraham-pialan’ilay heverin’ny maro ho nahatonga izao rehetra izao. Toa takona tanteraka hatramin’ny fototry ny disadisa ka antony nampidina vahoaka an’alin-kisa tetsy amin’ny Parvis Analakely tetsy indray ny sabotsy 21 aprily. Tonga amin’ilay fitenenana hoe « feno ny kapoaka » ny vahoaka malagasy ary dia hita ho mipoaka, araka ny filazan’ireo tanora mpandinika momba ny vakoka sy harem-pirenena azy, tokoa ny atao hoe tolom-pokonolona. Ilay fokonolona amin’ny hevi-teny mira fitiavana ny mpiray tanindrazana eto moa no tian-dry zalahy ireto nambara. Izany hoe « foko ny olona » raha faritana ara-bakiteny. Io rafitra fokonolona io rahateo no voalazan’ireo mpandinika ho ivon’ny rafitra politika malagasy hatramin’izay ary tsy maty vonoina hatramin’izao. Matoa mitroatra izy ankehitriny dia manomboka miverina mitady ny very tokoa ny … « Fokonolona ». Izay « fialan-dRajao » izay tokoa ve anefa no tena vahaolana ?

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT