Raha ny zava-nitranga tato anatin’ny herinandro no jerena dia toa miha mahazo vahana izany indray ny FAT tarihan’ny filohany, Andry Nirina Rajoelina
. Sady afaka nanatrika fivoriana iraisam-pirenena tany Torkia mantsy izy, no mbola nihaona tamin’ny minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay, Alain Juppé ary afaka nivahiny mivantana tao amin’ny fampahalalam-baovaon’ny fahitalavitry ny frankôfônia dia ny TV5 Monde, izay miparitaka manerana izao tontolo izao. Afaka nanazava tsara ny heviny sy niaro ny fitondrany izy, ary nilaza fa nitondra ny hetahetam-bahoaka ary hitondra ny fanovana. Tsy niova ny resaky ny filohan’ny FAT fa dia tsy maintsy hovitaina mialoha ny 30 novambra 2011 ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote, izany mialoha ny fahavaratra, araka ireo fifanarahana politika isan-karazany. Araka ny fantatra dia hanohy io fitetezana firenena any ivelany io ny filohan’ny FAT ary hiezaka mafy mihitsy amin’ny handresen-dahatra izao tontolo izao fa efa nivadika ny pejy eto Madagasikara ary tantara sisa ireo mpitondra sy mpanao politika teo aloha.
Tetsy ankilan’izay dia nisy tokoa ny rodobe nataon’ny mpanohitra, izay ny Ankolafy 3 moa no tena maro an’isa ao, saingy tsy mbola tena araka ny nandrasan’ny maro ny zava-nitranga. Toa nangingina mansy ny hetsika fa tsy tena nahoraka sy nanaitra ny olona. Miverina amin’ny efa nambara hatrizay ihany ity resaka ity dia ny hoe : tsy hahavita irery hitarika ny mpanohitra ny Profesora Zafy Albert fa tsy maintsy tonga manampy azy eto an-tanindrazana ireo filoha mirahalahy mbola mialokaloka any ivelany any, dia Atoa isany Ratsiraka sy Ravalomanana. Raha tsy izay no mitranga dia tsy ho ampy tosika foana ny hetsika ataon’ny mpanohitra. Tsy sanatria hoe maivan-danja ny Pr Zafy, fa hafa kokoa ny tantana raha ny iray amin’ireo filoha teo aloha ireo, izay tena mbola samy mahatarika vahoaka no tonga eto. Raha toa moa ka samy tonga eto izy ireo dia hiady tsara araka ny fomba fiteny ny baolina, ary ho sarotsarotra ho an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany no tonga dia hampandry adrisa isan’andro vaky izao ny vahoaka. Herinandro sisa dia ho raikitra ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Sadc ka hivoaka ny fehin-kevitra momba an’i Madagasikara.
Mandeha ny tombantombana maro samihafa, ary maro no manomboka mieritreritra fa mety hanome rariny ny FAT na hiolakolaka sy hanipy baolina ny Sadc. Matanjaka be tokoa mantsy ny tsindry bokotra etsy sy eroa ataon’ny Frantsay ho fanohanany izao fitondrana tetezamita izao sy mba haneken’ny rehetra ilay sori-dalana ka hampiharana azy tsy misy fanovana na fikitihana intsony. Tsy kisendrasendra ny nandehanan’ny filohan’ny FAT tany Torkia sy Frantsa, herinandro mahery mialoha ny fivorian’ny Sadc, ary misy dikany lehibe ihany koa matoa izy efa manomboka mampiseho amin’izay fa ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany.
Mahay miala bala amin’ny fomba mihaja ny sehatra iraisam-pirenena ary mety hanao izany ny Sadc satria efa mandeha be ny resaka any Afrika any fa hanambara ity fivorian’ny filoham-panjakan’ny Sadc ity hoe : ny Malagasy ihany ny tompon’ny teny farany ka tokony hahay mihavana ny Malagasy ary mahay miara-miasa ary tsy tokony hisy ny fanilikilihana. Izay ilay hoe miala bala raha tena tsorina ny resaka, tsy hamoaka sazy ny Sadc na hiandany amin’izatsy na izaroa mivantana fa kosa hiantso fifampidinihan’ny samy Malagasy sy ny fanaovana fifidianana. Dia hamaly mazava ny FAT fa efa natao izany fa ny ankolafy hafa no tsy nety nandray anjara. Malalaka amin’izay ny lalana ho an’i Andry Rajoelina aorian’izay !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.