Edito

Miala any indray ny fanakorontanana !


  • Alarobia 02 Desambra 2015

Mandeha ny resaka ankehitriny fa miala any ny drafitra hanakorontanana ny eto Madagasikara.


Leziônera Malagasy nahavita servisy tany Frantsa no nivoahan’io feo io. Maromaro izy ireo no nisafidy ny hody an-tanindrazana rehefa nahafantatra ny zava-doza kononkononina any ambadibadika any ka nanapa-kevitra ny hiresaka amin’ireo tompon’andraikitry ny foloalindahy sy ny fiarovam-pirenena, araka ny nambaran’ny iray tamin’izy ireo. Ny teny raha foy, manan’elatra ka misy ihany ny ampahany fantatra momba io fikasana hanakorontana eto io. Maro ihany anefa ny zavatra tsy maintsy mbola hamarinina sy hadihadiana ary inoana fa hanao ny asany araka ny tokony ho izy ihany ny mpitandro filaminana fa tsy ny mpanao gazety foana no lazaina fa mpamoron-dainga na mpanely tsaho. Tena misy ny miketrika fanakorontanana eto. Maro be ny angom-baovao azo momba izany, ny andrasana fotsiny dia ny fandraisan’andraikitry ny mpitondra, raha mbola misy ihany eto ( ?). Sa ve sanatria andrasana hisy ra mandriaka tahaka ny nitranga tany Paris-Frantsa ireny vao hikorapaka indray ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT