Edito

Miala any indray ny fanakorontanana !


  • Alarobia 18 Febroary 2015

Asa na noho ny fifidianana atrehana amin’ny volana jolay na ahoana fa toa manomboka mafana indray ny tontolo politika. Miverina miseho ireo fanehoan-kevitra henjankenjana, mitohy hatrany ny fanakianana mavaivay ny fitondram-panjakana.Mitsangana etsy sy eroa ny fikambanana,


 vovonana, misy ny antoko sy vondrona politika manomboka misaraka na dia tsy tena mbola nisy ady be tsy nampifankahazo aza. Nifoha tampoka tamin’ny torimasony ireo mpanao politika efa tsy re feo intsony, sy ireo izay tsy hita tabilao tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka farany teo, angamba mety manantena ny ho lany ben’ny tanàna na farafaharatsiny mpanolotsain’ny tanàna izy ireo. Mialoha io fifidianana io anefa dia mbola atrehana aloha ny fampihavanam-pirenena tarihan’ny FFKM, izay hofaranana amin’ny fihaonambem-pirenena amin’ny volana martsa. Tsapa fa manomboka miseho ireo tsy resy lahatra amin’io hetsika fampihavanan’ny FFKM io ary manomboka manasa atidoha ny olona fa hoe tsy mety izy io. Efa noresahana anefa fa hisokatra amin’ny rehetra ny diniky ny FFKM ary na ny olom-pirenena tsirairay aza dia afaka milaza ny heviny. Koa mampametra-panontaniana ihany ny hoe : inona indray no mbola ilazana fa tsy mety ilay izy ? Fanombohana fotsiny ny fihaonan’ireo filoha 5 fa hiitatra amin’ny hery politika hafa ny dinika avy eo ary hitety ny faritra rehetra eto Madagasikara ny fakan-kevitra.Ny mampanahy dia sao lahy ka efa miala any indray ny paikady hampandamoka ny fampihavanana, avy eo hihemotra ny fifidianana, tsy ho azo  indray ny famatsiam-bola, dia hikorontana ho azy eto…dia ho avy indray ny resaka avy eo hoe : tsy mahavita azy ny mpitondra fa arodany any e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT