Edito

Miala andraikitra lava !


  • Alakamisy 10 Novambra 2011

Efa lasa fomba mahazatra eto amintsika mihitsy ilay hoe ny filoha na ny fiadidiana ny filohan’ny FAT no manampy ara-bola sy ara-pitaovana ireo atleta sy mpanao fanatanjahantena isaky ny misy zavatra goavana atao, fa milaza tsy manam-bola foana ny ministera.

 Noraisin’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra omaly maraina ireo mpikatroka boxe savate, hiatrika ny fiadiana izay tompondaka eran-tany any Paris Frantsa. Nisy ny lelavola nomena ny federasiona mba hanampiana ireto atleta ireto sy hampirisihana azy ireo mba hanao tsaratsara kokoa sy hanandratra avo ny voninahitr’i Madagasikara. Mahalasa fisainana ihany ! Inona moa izany no ilana ny ministeran’ny fanatanjahantena raha toa ka ny prezidansa foana no hamonjy ny atleta. Mialoha izao dia efa resabe tamin’ny filazam-baovao ny olana misy eo amin’ny ministeran’ny fanatanjahantena sy ity federasiona iray ity. Ny federasiona manitrikitrika fa zon’izy ireo tanteraka ny mahazo fanohanana ara-pitaovana sy fanampiana ara-bola avy amin’ny ministera satria efa an-taonany maro ireo atleta no niomana sy nikotrana mafy ka tsy rariny raha adaboka fotsiny ilay zavatra satria hoe krizy ny firenena ka tsy manam-bola. Ny ministera koa dia tsy nanaiky lembenana ary nilaza fa rehefa tsy misy ny vola dia tsy misy ary tany mena tsy mirehitra.

Dia tsy nisy mihitsy ny vahaolana avy any amin’ny ministera na dia efa fantatra tsara izao aza fa nidi-trosa ny federasiona mba nahafahana niatrika lalao tany ivelany ho voninahitr’i Madagasikara. Dia nitatra ny resaka ka namoaka fanambarana ny federasiona 19 fa tsy mahavita azy ingahy minisitra ka mila soloina. Tsy nitohy hatramin’ny farany moa io fitakiana io satria efa tsy maintsy noravana ihany ny governemanta. Omaly anefa dia mbola tazana teny Mahazoarivo indray Atoa Ndremanjary Jean André, izany hoe mbola anisan’ireo kandida minisitra. Izy rahateo moa mpikambana feno ao amin’ny HPM ary anisan’ireo tena mafana fo sy mitady seza fatratra raha araka ny tsiliantsofina re. Mipetraka eto ny fanontaniana : ministera inona indray no mety ho sahaniny ? Mbola hijanona eny Ambohijatovo hitantana ny fanatanjahantena ihany ve sa hifindra lasy ? Maro koa ny manontany tena hoe : mahafeno ny fepetra rehetra ho minisitra ao anatina governemantan’ny fampiraisam-pirenena ihany ve ity minisitra teo aloha ity, izay tena mahery fiteny sy manao esoeson-teny matetika amin’ireo tsy mitovy hevitra aminy sy sahy manakiana azy ? Iaraha-mahalala fa krizy izao, saingy ny mpitondra mahay dia mahita vahaolana foana fa tsy miala andraikitra sy miandry fahagagana izany. Rehefa tsy mahavita dia tsy tokony hihazakazaka haka seza e !
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT