Edito

Miala amin’ny fenitra


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2023

Sarotra be ny mandinika ny raharaha politika eto Madagasikara, hoy ry zareo Vondron’olona miaro ny fitondrana izay.

Izany hoe na ry zareo aza izany dia miaiky ankehitriny fa miala amin’ny fenitra, hafahafa be tsy toy ny hita any amin’ireo firenena mbola mitana izany atao hoe soatoavina politika izany no hita eto amin’ity Madagasikara ity. Ny mpandinika raharaham-pirenena sasany moa dia tsy misalasala milaza fa tsy misy etika mihitsy izao fitondrana izao. Lafiny politika izay fa etsy ankilany, ny lafiny fanabeazana dia ireny niaraha-nahita tamin’ny faran’ny herinandro ireny indray ary mampametra-panontaniana lalina hoe ny tena hanosika ilay vahoaka malagasy hitroatra mihitsy ve no tian’izao fitondrana izao hahatongavana mafy sa fankafizana ny hiantsy satria dia ireny indray ny sabotsy teo dia niely ny vaovao fa andro alina no hamoahana ny valin’ny Bakalorea teto Antananarivo? Tsy mbola ampy ve izany ny fambolena fahasahiranana sy fitebitebena ho an’ny raiamandreny tamin’ilay fanampahan-kevitra tsy nosainina nampanaovana fanadinana ireo mpiadina tamin’ny andro alina? Miharihary ankehitriny fa potehina ny fanabeazana. Na ny filoham-pirenena mivantana no mitarika izany na ireo lazaina mahazatra hoe manodidina azy dia fitondrana foana no anarany aloha. Fitondrana Rajoelina! Governemanta Ntsay! Tsy misy afa-miala amin’ny goragora sy tsy fahombiazana miha lalim-paka eto amin’ity firenena ity. Olona miisa 7 tamin’ny 3000 no voalaza fa nanatontosa ny fanapahan-kevitra farany na “délibération”. Tsy vitan’ny hoe tsy nisy tao anatin’ny 63 taona angamba izany fa sady tsy mbola nisy teto ambonin’ny tany koa. Aoka tsy hitazam-potsiny izao firenena an-dalam-paharavana izao, hoy ny antoko politika iray nahavita kaongresy tamin’ny sabotsy!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT